Faritra vakinankaratra – Omby maherin’ny fitopolo lasan’ireo malaso
Nanao tohivakana ireo dahalo nandroba ny ombin’ireo fokonolona tany amin’ny Faritra Vakinankaratra ny faran’ny herinandro teo. Omby maherin’ny fitopolo no indray naripak’ireo dahalo, tamin’ny toerana roa tany amin’ity faritra ity. Tany amin’ny distrikan’i Mandoto, tokony tamin’ny 1ora maraina, tao Androba, kaominina Ankazomiriotra no nitranga ny fanafihana voalohany. Dahalo am-polony mahery nirongo basim-borona sy fitaovam-piadiana maranitra no nangalatra omby miisa 26. Raikitra ny fanarahan-dia nianatsimo ny tanàna ka fito tamin’ireo omby ihany no tafaverina raha toa ka maty ny roa.
Tany amin’ny distrikan’i Betafo kosa no niseho ny fanafihana faharoa, ora telo taty aoriana. Dahalo miisa 20 nilanja basim-borona sy zava-maranitra koa no nandroba omby dimampolo teny an-kianja, tao Miarinarivo avaratra, fokontany Ambalavato, kaominina Ambohimanambola, tokony tamin’ny 4ora sy 30 minitra. Efa nisy ny fanarahan-dia rehefa hita fa nianatsimo ny dian’omby.