Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Telo lahy nanafika trano fandraisam-bahiny – Naratra voatsatoka antsy ny tompon’ilay hotel

Trano fandraisam-bahiny iray no lasibatry ny jiolahy miisa 3, teny Talatamaty, omaly maraina, tamin’ny 2ora sy sasany tany ho any. Lasa nandritra izay ny lelavola efatra hetsy sy iray tapitrisa ariary tao anaty boatin-drakitra ary tsy vitan’izany noratrain’ireo jiolahy tamin’ny antsy lava lela ihany koa ny lehilahy iray 37 taona izay tompon’ity toerana ity. Araka ny fanambaran’ny lasibatra dia ankoatra ny trano fandraisam-bahiny dia misy fanaovana « karaoke» ity toerana ity ary rehefa tapitra izany dia lasa matory izy fa mandondona fotsiny ireo mpanjifany raha mila trano hatoriana ka efa zatra izany ny tenany. Tamin’io fotoana io dia nisy nandondona tao am-baravarana ary nihevitra izy fa ireo mpanjifa mila efitrano hofaina. « Nosokafako ny varavarana ka lehilahy telo mirijarija miaraka amin’ny antsy no teo. Nanohitra azy ireo tsy hiditra ny trano ihany aho saingy sendra ny be noho ny vitsy ka noleran-dry zalahy ny antsy avy hatrany aho ka voa teo amin’ny sandriko sy ny tratrako ary ny lamosiko. Rehefa nianjera tamin’ny tany amin’izay aho dia notazomin’izy ireo ary notapenany ny vavako ary namantana avy tamin’ny toerana nisy ny vola izy ireo », hoy ny fitantaran’ny lasibatra. Mbola afaka nanenjika ny lasibatra saingy tsy lasa lavitra noho ny ra very be loatra.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre