Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Toamasina – Zandary mamo niharan’ny fitsaram-bahoaka

Zandary iray no naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka nandritra ny lanonam-pianakaviana, tany Toamasina. Ny alin’ny alahady lasa teo, tamin’ny 8 ora sy sasany no nisehoan’izany, tany Analankininina eny akaikin’ny hopitaly be. Nanao akanjo fanamiana tsara ity mpitandro filaminana ity ary miasa eo anivon’ny « groupement de la gendarmerie Atsinanana ». Araka ny vaovao voaray dia nanatanteraka lanonam-pianakaviana ny tompon-tranon’io zandary io sady mpifanolo-bodirindrina aminy. Rehefa niakatra anefa ny alikaolan’Ingahy  zandary dia nila vanina tamin’ny lehilahy iray tao izay nolazainy fa nangalatra ny vadiny. Nodarohany sy nomeny ny totohondry avy hatrany ilay olona ary tsy nijanona teo fa novonoiny ihany koa io vadiny io. Ramatoa iray izay nikasa hanelanelana ihany koa no niharan’ny darokan’ity mpitandro filaminana.

Tezitra tamin’io fihetsika nataon’ny zandary io ny mpilanonana ka nanao tambabe nikasin-tanana azy. Naratra mafy ka vaky nandositra ny anao lahy tsy nahery tosika ny hatezeram-bahoaka ary niafina tao amin’ny tranon’ny olona tsy lavitra teo. Tsy nahasakana ireo fokonolona izany fa mbola nenjehan’izy ireo hatrany ary niangavy ny tompon-trano mba hamoaka io zandary io. Tsy nanaiky anefa iry faharoa fa niantso ny lehiben’io zandary io. Tonga teny an-toerana avy eo ny irak’ilay lehibe nanaparitaka ireo fokonolona. Raha ny vaovao voaray farany, nilaza ny hitory ilay zandary.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre