Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Mahajanga – Mirongotra ny fanaovana firaisana ara-nofo ankalamanjana

Mahazo vahana ny fanaovana firaisana ara-nofo ankalamanjana, any Mahajanga. Tsy ny tanora, tsy ny olon-dehibe, tsy ny antitra fa samy roboka avokoa amin’ity fihetsika mamohehatra ity ary tsy mifidy ora intsony fa na amin’ny atoandro  be izao ary dia manao izany. Araka ny fantatra dia maro ihany koa ireo zaza na lahy na vavy mbola tsy ampy taona tafalatsaka amin’izany. Eny amin’ireny toeram-pitsangatsanganana ireny no tena ahitana izany, araka ny loharanom-baovao. Anisan’izany eny amin’ny « jardin d’amour », « village touristique », « jardin Ralaimongo », « Port schneider ». Very tanteraka ny soatoavina maha malagasy noho ny fivoaran’ny teknolojia satria tsy misy henatra intsony ireo mpanao izany fa na misy mahita ary dia ny ataony ihany no ataony eny amin’ireny seza amin’ny toerana fialana voly ireny.

Efa nisy mihitsy ireo olona nosamborin’ny mpitandro filaminana satria raran’ny lalàna eto amin’ny tany sy ny fanjakana malagasy ny fanaovana firaisana ara-nofo eny ankalamanjana ary saziana an-tranomaizina ireo tratra manao izany. Ary mbola tsy eken’ny foto-pisainana malagasy ihany koa izany, sady mbola mipetraka ho zavatra mamoafady. Betsaka anefa ireo tanora maherin’ny 18 taona any an-toerana mankasitraka ity fiainana vetaveta ity. Araka ny filazan’izy ireo dia mba miala amin’ny mahazatra sy fijerena sary mamoafady ny antony mampirona azy ireo hanao izany.

Tsy any Mahajanga ihany anefa fa tonga hatrany Toliara any ity fihetsika tsy fampiseho masoandro ity.

 

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre