Manakorontana saim-bahoaka !
Nazava ny hafatry ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo omaly raha nihaona tamin’ny mpanao gazety, nanao tatitra mikasika ny fitsidihana naharitra herinandro nataony tany ivelany fa hitady tombontsoa ho an’ny firenena ny nalehany tany fa tsy ho an’ny tenany. Tsy misy mandà izany ary tsy hiady hevitra kely akory mikasika izany saingy kosa tsy hay ny tsy ampatsiahy fa ny tsy fisian’ny mangarahara eto amin’ny firenena ihany no mahatonga ny siosion-dresaka ka mampitaintaina ny vahoaka. Tsy nisy fanazavana na inona na inona mikasika ny anton-dian’ny Praiminisitra any ivelany mihitsy raha niala teto ny tenany. Tsy niteny rahateo izy, ary ireo manodidina azy koa tsy nanambara. Nandeha ny resaka fa hitsabo tena no antony nandehanany tampoka tany ivelany. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ireo namaritra fa hitady fanohanana no nalehany tany satria tadiavin’ny Hvm esorina amin’ny toeran’ny lehiben’ny Governemanta izy. Tao anatin’ny fotoana tena nampirongatra ny resaka fanovàna Governemanta izany rehetra izany no nitranga nefa tsy mba nisy fanazavana tamin’ny fomba ofisialy na dia iray aza. Rehefa tsy nampiseho ny mangarahara mikasika ny dian’ny Praiminisitra tampoka tany ivelany ny avy eny Mahazoarivo dia nangina toy izany ihany koa ny teny Ambohitsorohitra sy ny teny anivon’ny minisitera samihafa. Tsy mahagaga raha lasa miroaroa saina ny vahoaka satria tsy mba misy vaovao ofisialy ampy sy mazava ary mangarahara mivoaka avy amin’ny lehiben’Andrim-panjakana intsony eto Madagasikara tato ho ato izay. Ny hitan’ny olona aloha dia ny fanambaran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fandaharana manokana niarahana tamin’ireo fahitalavitra mpanohana azy fa misy olona tsy dia atokisana tsara itsony ao anaty fitondram-panjakana. Tsy nandà ihany koa izy ny mety hisian’ny fanovana governemanta taorian’ny fanendrena loholona. Mbola niaraha-nahita ihany koa fa nisy ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny fiadidiana ny Primatiora ka nahatonga ny Filoha sy Praiminisitra samy tsy nisy nanatrika ilay fikaonan-doham-pirenena natao hitadiavana vahaolana mikasika ny kere sy ny hain-tany any atsimo. Toa nampiseho ireo rehetra ireo fa tsy milamina intsony ao ambonimbony ao. Ankoatra ny Praiminisitra, tsy mbola nisy olom-panjakana ambony na iray aza nandiso fa misy ny fikasan’ny Filoha hanova izao governemanta mijoro izao. Tao anatin’izany savorovoron-kevitra mamaivay rehetra izany no lasa tampoka tsy nampandre no tsy nilaza ny antony nandehanany tany ivelany ny Praiminisitra koa vao mainka nitombo ny ahiahin’ny malagasy. Maromaro ireo hetsika nataon’ny Filoha nandritra ny tsy naha-teo ny Praiminisitra saingy tsy nilaza ny antony tsy naha teo ny lehiben’ny governemanta mihitsy ny tenany. Raharaham-pirenena sy asa ho an’ny vahoaka anefa no nataon’ny Jly Jean Ravelonarivo tany ivelany tany, izany hoe tokony ho nifanarahany tamin’ny Filoha, mba tsy ilazana hoe ity farany no naniraka azy ka tokony nilaza ny zava-misy tamin’ny vahoaka. Tsy nisy ny tatitra ofisialy fa izao Praiminsitra efa tafaverina an-tanindrazana izao vao mitondra fanazavan-kevitra mba ampitoniana ny saim-bahoaka. Soa ihany fa antony tsara, araka ny filazany, no nalehany tany nefa kosa ilaina ihany ny mangarahara mba tsy hampiteraka savorovoro eo anivon’ny ady hevitra politika sy ny raharaham-pirenena satria toa lasa ankinafinafina hatrany ny fomba fitantanana ity Madagasikara ity. Rehefa tena dinihina mantsy dia toa miainga avy amin’ny fihetsika sy ny fomba fitenin’ireo mpitondra Fanjakana hatrany ny tsaho sy ahiahy rehetra miteraka fanakorontanana ny saim-bahoaka. Ny valala misy, ny mpilaza mahay saingy tsy azo hadinoina fa ny vy tsy mikitrana irery.
Ravalo tsy Manana