Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Belo Tsiribihina – Zaza menavava sy ankizy 4 taona nataon’ny dahalo takalon’aina

Nanapatra ny heriny indray ireo dahalo, tany amin’ny distrakan’i Belo ambonin’i Tsiribihina, ny faran’ny herinandro teo. Dahalo maherin’ny dimampolo nirongo basim-borona miisa 31 sy fitaovam-piadiana maranitra no tonga masiaka nandroba ny fananan’ireo fokonolona, tao amin’ny tanànan’Ampilira Ankilimahasoa, fokontany Bemangily, kaominina Ankalalobe, tokony tamin’ny 6ora sy sasany maraina. Mbola teo am-pikarakarana ny tao an-trano indrindra ireo mponina tao amin’ity tanàna ity no nisy tifitra variraraka nanaitra azy ireo. Vaky nandositra ny iray tanàna vao naheno izany ka nilamina tsara ireo dahalo nangalatra ireo omby ary lasa tamin’izany ny biby miisa 130. Tsy nijanona tamin’ireo omby ihany anefa fa mbola nataon’izy ireo takalon’aina ny olona telo dia zaza menavava sy ankizy 4 taona ary vehivavy iray.

 

Dahalo dimy lavon’ny balan’ny zandary

Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo fokonolona vao niala ny tanàna ireo olon-dratsy. Tsy nampoizin’ireto farany anefa fa tonga dia namonjy ny kizo fieren’izy ireo ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona nanao ny fanarahan-dia. Tokony ho 1 kilometatra niala ny tanàna izay lalana tsy maintsy lalovan’ireo dahalo ireo ka raikitra ny fifandonana, adina iray taty aoriana. Dahalo miisa 5 no lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifampitifirana ary fito hafa naratra mafy. Fokonolona iray ihany koa naratra. Tafaverina kosa ireo omby rehetra sy ireo olona telo natao takalon’aina.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre