Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Itaosy – Tokantrano iray notafihan’ny jiolahy

Nipoapoaka ny basy teny Itaosy, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo, nandritra ny  fanafihana mitam-piadiana nataon’ny andian-jiolahy misaron-tava. Am-polony izy ireo nirongo basy mahery vaika sy sabatra nanafika ny tokantranon’ny olona iray teny an-toerana. Araka ny loharanom-baovao, rehefa avy nianika ny fefy mbola niakatra koa  ny rindran’ilay trano ireo jiolahy mba hahazo ny rihina voalohany. Nony tonga teo indray dia novakian’izy ireo avy hatrany ny varavarana fitaratra mba ahafahany miditra ary nandrahona ny tompon-trano tsy hanao fihetsika mahery fa raha tsy izany dia ho vonoina. Tahotra ny ho faty dia samy nanaraka ny sitrapon’ireo olon-dratsy ny iray trano ka lasa ny vola mitentina 10 tapitrisa ariary, solosaina enti-tanana miisa 2, firavaka volamena ary finday avo lenta miisa 5. Tsy nikasin-tanana ireo lasibatra mihitsy ireo jiolahy fa lasa nandositra rehefa nahazo izay nilainy. Ahiana ho olona mahafantatra ireo lasibatra ihany koa ireo olon-dratsy ireo, araka ny loharanom-baovao hatrany.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre