Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Rn1 – Fiara 4×4 nifatratra tamin’ny Mazda

Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena Rn1, omaly maraina, tokony tamin’ny 11ora. Vokatry ny fandehanana mafy dia fiara 4×4 iray nifatratra tamin’ny taksiborosy marika Mazda, teny Amboalefoka, eo anelanelan’i Miarinarivo sy Analavory. Araka ny loharanom-baovao dia samy nirimorimo mafy ireo fiara roa ireo fa ilay fiara tsy mataho-dalana no voalaza fa nangalatra lalana teo amin’ny fiolanana ary samy niala indray izy roa avy eo ka vao mainka ny nampifandona ary avy eo nifatratra teny amin’ny tokontanin’ny olona teny amoron-dalana teny. Naratra mafy vokatr’izany lozam-pifamoivoizana izany ireo mpandeha tao amin’ity taksiborosy ity fa ireo tany amin’ny farany aoriana ihany no tsy dia naninona, raha ny vaovao voaray hatrany. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny Hjra ireo niharan-doza.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre