Andoharanofotsy – Tovovavy avy nivavaka nisy naka an-keriny
Mitady hahazo vahana indray ny fakana olona an-keriny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tovovavy iray indray no nisy naka an-keriny, ny alahady atoandro lasa teo, rehefa avy nivavaka, teny Mandrimena Andoharanofotsy, saingy tafatsoaka ihany izy io avy eo. Voan’ny fandrekirekena nataon’ny olona tao anaty 4×4 izay miloko fotsy ka niakatra tao anatin’ilay fiara ilay tovovavy. Tsy nampoiziny anefa fa vao tafiditra tao izy dia efa nisy zazavavy kely iray 10 taona eo ho eo no efa nifatotra tao anatin’izany fiara izany. Nofatoran’ireo olon-dratsy ihany koa ny vatany ary notapenana ny masony. Tsy nijanona teo fa mbola nomen’izy ireo zava-mahadomelina izy ary nentina tany amin’ny ala maizina fa ilay zazavavy kely kosa nentin’ireo jiolahy atolotra teratany vahiny, araka ny loharanom-baovao akaiky ny niharam-boina.
« Natsipy tany anaty ala ny zandrim-badiko fa ilay zazavavy 10 taona nentina tany amin’ny vazaha hono fa izy kosa miandry ny anjarany. Nikasa handositra ilay zaobaviko dia nodarohan’ireo olon-dratsy ka naratra be fa mbola tafaporitsaka ihany izy», hoy ihany ity havan’ny nalaina an-keriny.
Tany anaty hantsana manakaiky ny toeram-ponenany no novonjen’ny olona ilay tovovavy ary nampandre ny fianakaviany, ny talata lasa teo. Fa ny tena loza dia lasa adala ilay tovovavy amin’izao fotoana izao. Vokatry ny fanagiazana azy nandritra ny roa andro ve ? Fa araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao hatrany dia nasian’ireo olon-dratsy fanahy ratsy ilay tovovavy.
Laurena Nany