Lojikan’ny fifandonana !
Miverina indray ny lojikan’ny fifandonana sy ny fifamonoana eto Madagasikara. Mazava ny hafatry ny zanak’Androy fa ampy izay ary tsy hanaiky ny hataon’ny manam-pahefana vono moka intsony izy ireo. Efa matetika mantsy ireo olona terak’Androy no lasibatry ny famonoana amin’ny alalan’ny tifitra nataon’ny mpitandro filaminana. Anisan’izany ny zava-mitranga amin’ny ady amin’ny asan-dahalo any Atsimo izay ahafatesana olona maro tsy mbola voaheloky ny fitsarana fa ahiahiana ho lon-dratsy fotsiny. Teo ihany koa ny tifitra varirararaka nahazo azy ireo tany Tsiroanomandidy, ary farany dia ny tifitra teny Anjozorobe. Mampiaka-peo ary namoaka teny henjana ho fanoherany izany herisetra izany mihitsy izy ireo nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety. Tratran’ny zarazarano hanjakana anefa satria misy ireo ankolafiny manohana ny fihetsiky ny mpitandro filaminana izay manao ny asany ho fametrahana ny fahalemana sy ho fampiharana ny lalàna. Toa manasoketa ireo mitaky ny fahamarinana sy ny valifaty manoloana ny havany namoy ny ainy aza ireo Antandroy miaraka amin’ny fanjakana ary milaza mihitsy fa misy tetika hivoizana adim-poko sy fanozongozonana ny fitondrana ity raharaha ity. Raha izao no mitohy dia ry zareo samy zanak’Androy indray no mety hiditra amin’ny lojikan’ny fifandonana satria samy miaro ny heviny. Ny tena tsara indrindra dia mifanantona sy mifampiresaka ary mifanaraka izy samy izy mba tsy hisian’ny lonilony eo amin’ny samy mpiray fiaviana. Ny mpitondra Fanjakana mandalo, ary ny politika tsy maintsy mitondra savorovoro fa ny olona iray rà sy iray fihaviana manana andraikitra hihavana sy hifankatia ary hiray hina.
Mbola hita taratra hatrany io lojikan’ny fifandonana io na eny anivon’ny fiarahamonina aza. Niaraha-nahita ny fitsaram-bahoaka nitranga tany Moramanga noho ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona miisa 5. Famotehana ny fiaran’ilay mpamily karana sy fitakiana ny hamonoana azy io avy hatrany no andraikitra voalohany noraisin’ny vahoaka izay nanatri-maso. Marihina anefa fa tsy havan’ireo namoy ny ainy akory ny ankamaroan’ireo olona lian-drà nitaky ny fanatanterahana ny maso solon’ny maso, aina solon’ny aina fa olona sendra nanatrika sy tsy nahatanty ny zava-nitranga fotsiny. Ny tranga toy izao dia efa niteraka olana goavana marobe teto amin’ny firenena satria lasa tany tsy tan-dalàna intsony i Madagasikara ary hatramin’ny sivily tsy manan-tsiny no lasa mifandramatra sy mahavita heloka bevava tsy nomanina fa vokatry ny tendrom-po tsy mba namana fotsiny ihany.
Tsy miandry ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana hanao ny asany intsony ny vahoaka fa tonga dia mandray an-tanana mivantana ny fanasaziana ireo nahavanon-doza. Mampiseho io fomba fanao io fa tsy misy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpampihatra ny lalàna nohon’ny tsy fahatomombanan’ny fandraisana andraikitra amin’ny fanasaziana ireo mpanao ratsy. Toa afa-maina hatrany mantsy ny ankamaroan’ireo mpanao ratsy rehefa mahitahita sy mahalala olona ambony. Matimaty foana toa valala samborim-boka ireo lasibatra fa tsy hita matetika ny mpitandro filaminana dia tsy mahita mandritra ny herisetra mitranga, ary na misy aza ny voasambotra amn’ireo olon-dratsy dia maro amin’izy ireny no afaka madiodio eny anivon’ny fitsarana. Porofon’izany ny fakana an-keriny tany Toamasina farany teo izay nandraisan’ny olona vitsivitsy tokony hamita sazy any am-ponja. Tsy vitan’ny hoe tsy mahaaro ny vahoaka araka ny tokony ho izy fotsiny ny mpitandro filaminana ary mampisalasala ny sasany amin’ny vahoaka ny fahaleovantenan’ny fitsarana fa na ireo olona efa nomelohina sy nampidirina any am-ponja aza satria lasa loza manambana ho an’ny fiarahamonina dia tafavoaka miriaria toy ny olo-marina rehetra. Tsy mahagaga raha lasa lian-drà ny malagasy ary vonona ny hifamono avy hatrany satria tsy maintsy miaro tena.
Ravalo tsy Manana