Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Morafeno – Lasa indray ny omby tao ambala

Mitohy hatrany ny fandrobàna fananan’olona ataon’ireo dahalo any amin’ny faritra Matsiatra ambony. Nisehoana fanafihana indray tany Ampandrambato, fokontany Betsara, kaominina Morafeno, distrikan’Ambohimasoa, ny 01 martsa teo, tokony ho tamin’ny 10ora alina . Nirefodrefotra ny poa-basy nataon’ireo olon-dratsy miisa 10 nirongo basim-borona sy fitaovam-piadiana maranitra nentina nampihorohoroana ireo fokonolona. Samy namitsaka tao an-tranony tsy nisy sahy nivoaka nanohitra azy ireo mantsy ny mponina ka nigalabona izy ireo naka ny omby tao ambalan’ny olona iray tao an-tanàna. Lasa ny omby miisa 4 ary mbola nanapoaka basy hatrany ireo dahalo rehefa nivoaka ny tanàna. Lasa kelikely izy ireo vao sahy nirohotra nivoaka ny trano ireo vatan-dehilahy ary nampandre ny mpitandro filaminana.

 Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre