Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Sambava – Nandrora mitsilany…

Raim-pianakaviana iray 54 taona no naratra mafy voan’ny fandrika nataony tao amin’ny saha lavanila, tany Antonopahitra, distrikan’i Sambava, ny Alatsinainy lasa teo. Nandevenany ireny fandrika antsoina hoe « famotsa » ireny izay vita amin’ny fantsika lehibe apetaka amin’ny hazo fisaka na « planche » ireny tao amin’ilay saha mba hamandrihana ireo mpangalatra, noho ny firongatry ny halatra lavanila maitso.

Tamin’io andro io dia nisy namefy ny lalana mivoaka izany saha izany ka nihoatra an’izay no nahavoa ity lehilahy ity. Naratra mafy vokatra izany ity farany satria niditra teo amin’ny faladia ary nivoaka teo amin’ny tampon-tongony ilay fantsika, araka ny loharanom-baovao.  Mirongatra ny halatra lavanila any amin’ny faritra Sava amin’izao fotoana izao. Tsy mba manana fitaovam-piadiana hiarovana @ herisetra ataon’ny jiolahy ireo mpamboly ka mikaroka hevitra hiambenana ny voly.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre