Daraina – Zazavavy kely 9 taona marary mafy
Zazavavy iray vao 9 taona monja no marary mafy eny amin’ny hopitaly Besopaka, any Sambava, amin’izao fotoana izao, vokatry ny herisetra nataon’ny zandary taminy. Avy any Ambotoaranana Daraina, distrikan’i Vohemar ity zaza ity, izay voalaza fa nandoro ny tranon’ny sefo fokontany ka tonga tamin’izao voakasi-tanana izao. Ny 6 febroary lasa teo, araka ny loharanom-baovao mari-pototra avy any an-toerana, may ny tranon’ny sefo fokontany, ka ity zaza ity no nahatsikaritra ny zava-nisy ka nampandre avy hatrany ny niharam-boina manao hoe : « miakara haingana fa may ny tranonareo ». Noho izany antony izany dia nampaniraka miaramilam-pokontany efa-dahy ilay niharam-boina mba hisambotra sy hiandry azy sao mandositra. Notazomina nandritra ny alina tao amin’ny biraon’ny fokontany toy ireny niandry jiolahy raindahiny ireny izy. Nanaraka azy ny reniny saingy natokana efitra.
Nofatorana ny tanany ary notapenana ny masony
Ny 7 febroary ampitson’ ny nitrangan’ny loza, tokony tamin’ny 10 ora maraina, nidina teny an-tanàna ny zandary miisa 2 nanao famotorana ilay ankizivavy tao amin’ny biraon’ny fokontany. ihany ka nihidy tao izy ireo. Herisetra no azo ilazana ny famotorana natao ity zaza ity. Nofatorana ny tanany roa, notampenana ny masony, nofelahina, noterena tamin’ny zavatra miendrika “pince” ny sofiny ,nokapohina karavasy tamin’ny fehikibo fampiasan’ireny zandary ireny nandritra ny fanadihadiana natao azy, araka ny fitantarany izay natao azy tao. Fanontaniana tokana no niverimberina manao hoe : « Fa nahoana no nodoranao ny tranon’ny sefo fokontany ? », « Tsy izaho tompoko no nandoro azy fa sendra nilalao tsy lavitra teo izahay dia naheno zavatra nipoaka dia rehefa nojerena efa afo be mihinana ny tafo bozak’ilay trano ka nampandre ny sefo fokontany aho », hoy kosa ilay zaza namaly. Saingy mbola tsy nahafa-po azy ireo izany ka nanomboka nongotana tsirairay indray ny volony. Iray volana latsaka aty aoriana mbola marary mafy ilay zaza ary efa mananika any amin’ny 400 000 ariary ny vola lany. Nanapa-kevitra ny nametraka fitoriana any amin’ny kaomandin’ny zandarimaria Vohemar ny renin’ilay zaza, ny zoma lasa teo manoloana ity tranga mampalahelo ity.
Laurena Nany