Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Bizina be an’ny kaominina – Nakatona ny Golden center

Tonga teny Behoririka- Tsiazotafo ny vadintany sy ny mpiasa avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nanatanteraka ny fanakatonana ny trano fivarotana lehibe Golden Center omaly. Nisy rahateo ny taratasy ara-panjakana maha-ara-dalàna ny fanakatonana. Voalaza fa tsy nanaiky izao fepetra noraisina izao ny tompon’ity trano ity ka nitory teny amin’ny fitsarana saingy tsy nahazo rariny. Ny tsy fanarahana ny fenitry ny fanorenana sy ny fiarovana ny ain’ny olona no tena antony nanakatonana ity tranom-barotra lehibe ity. Eo koa ny tsy fanaja ny isan’ny tsena ao anatiny izay tokony ho zato eo ho eo nefa tafakatra hatramin’ny 2000 isa ny tompony.

Nilaza ny mbola hanao fanadihadiana lalina ny eo anivon’ny kaominina mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra tanteraka ny amin’ny fanakatonana ny tsena. Eo no mampanahy ny maro satria iaraha-mahalala ny herin’ny vola amin’ny ady toy itony. Vola be ho an’ny kaominina izay efa tsy mahaloa ny karaman’ny mpiasa intsony ny fanaovana fanerena an-kolaka ny tompon’ity trano ity mba hahazoany taratasy fanomezan-dalana hisokatra indray. Sarotra rahateo ny hino fa hisy tompon’andraikitra ho sahy hamoaka didy handrodanana io trano io eto.

Tsy maintsy ho vitan’ny fifampiraharahana any ambadika any ny raharaha raha izao fandehany izao. Tsiahivina fa niainga tamin’ny fahamaizan’ny Golden center tamin’ny volana desambra 2015 ny fiantombohan’ny fanadihadiana nahafantarana fa tsy manaja ny fenitra takiana ity trano be an’ny sinoa eo Behoririka ity.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre