Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Fiainana feno tebiteby

Nafampana ity herinandro hifarana ity raha ny adihevitra sy ny fisafotofoton’ny zava-nitranga teto amin’ny firenena no fintinina. Na tsy nisy aza ny hetsika goavana sy ny fifandonana mahery vaika dia tsy nampitombin-tsana ny maro ny zava-misy. Anisan’ireny ny tsy nahateto an-toerana ny lehiben’ny Governemanta nefa tsy nisy fampilazana ny anton-diany tany ivelany. Rariny raha mahaliana ny vahoaka ny hahafantatra izay tsy nahateo ny Praiminisitra satria raharaham-pirenena no resahina. Rehefa tonga izy vao nilaza fa iraka nampanaovin’ny Filoha no tsy nahateo azy ary nitady fiaraha-miasa ho an’ny tombontsoam-pirenena no nalehany tany fa tsy raharaha mikasika azy manokana. Notsindrian’ny Praiminisitra mafy ihany koa fa tsy mpanao trafika-na andramena ny tenany ary tsy hanao izany na oviana na oviana. Mifanandrify indrindra amin’ny nahazoana sambo kely haingam-pandeha hanenjehana ireo sambo mpitatitra andramena io fanambaran’ny lehiben’ny governemanta io. Miandry vokatra izany ny vahoaka satria na ny Praiminisitra aza dia nivaky fa mbola misy ny fanondranana antsokosoko ity hazo lafo vidy ity saingy nisy fihenany izany hatramin’ny nandraisany ny fahefana.

Mbola nitana ny sain’ny maro ihany koa ny savorovoro misy eo amin’ny birao foiben’ny FJKM sy ny toeram-pampianarana politika IEP. Voaroaka sa tsy voaroaka hiala amin’ny trano ity toeram-pianarana ity? Manana ny fanazavany ny tompon’andraikitra saingy toa tsy mifanandrify amin’ny zava-misy izany. Notapahin’ny mpampanofa mantsy ny fifanarahana satria tsy manaiky ny fanondrotana hofan-trano ny mpanofa. Eny amin’ny tribonaly ny raharaha ka ny fitsarana no hanapaka ny ho tohin’ny fiaraha-miasan’izy ireo. Efa nilaza ihany koa ny filoha mpisolo toerana eo anivon’ny FJKM fa ilainy ny trano hatao biraon’ny fiangonana. Mazava ho azy fa tsy afaka ny hiaraka ao ny birao foibe sy ny IEP fa tsy maintsy miala ny iray. Mitombina ny hoe voaroaka ny IEP saingy tsy mety hiaiky izany ny tompon’andraikitra.

Mbola tsy lefy laza fa vao maika niitatra ihany koa ny resaka ambalavelona mamely ny tovovavy mpianatra manerana ny Nosy. Nisafidy ny fotoam-pivavahana ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mba hamahana ity aretina avy amin’ny fanahy ratsy ity, araka ny filazan’ny mpitondra fivavahana. Ny vavaka sy ny fanalana devoly ihany hatreto no fomba mahomby indrindra hahafahana miady amin’io aretina io hoy ny fijoroana vavolombelona nataon’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Lasa ady amin’ny fanahy ratsy sy ny tsy hita maso eto ny resaka fa tsy vitan’ny siansa sy ny fitsaboana maoderina intsony. Tsy hita hazavaina na hiadiana hevitra ny tranga toy izao fa ny zava-misy dia misy ankizy marobe mihetsika aretina ka vavaka ihany no manasitrana azy. Na nilaza aza mantsy ireo manam-pahaizana amin’ny fitsaboana maoderina fa aretin-tsaina mandalo sy tsy fahampian’ny otrikaina vokatry ny harerahana no nanjo ireo ankizy dia tsy mbola nitondra vahaolana matotra sy mahomby izy ireo fa nijanona teo amin’ny fanazavana ara-tsiantifika fotsiny ihany. Misy foto-kevitra iray fahatelo izay nanararaotra nitsabaka tamin’ity raharaha ambalavelona ity ihany koa dia ny tariky ny Kohen Rivolala izay nampidirin’ny fitsarana any Miandrivazo am-ponja noho ity resaka ity ihany. Anisan’ny lasibatra ity mpitarika fivavahana hafahafa ity satria voatondro tsy nisy porofo mazava fa ao ambadik’izao tranga izao. Izy sy ny mpiara-dia aminy anefa manizingizina fa mahay manasitrana io aretina io. Mitaky noho izany ny mpiara-dia aminy mba havoaka ny fonja izy satria te hanome tanana ny Fanjakana amin’ny fitsaboana. Vaka ny sain’ny maro, hoe iza ihany no manana ny marina. Ny zava-misy tsy azo lavina sy iombonan’ny rehetra hevitra aloha dia ny hoe tsy misy hatreto ny olona tena voaporofo fa mpanao ity aretina lazaina fa mosavy ity. Fa maninona tokoa no tsy sahy manenjika ireo heverina ho mpanao ratsy ny Fanjakana ? Fanontaniana tsy ahitam-baliny izany ary vaovao mampisafotofoto avokoa.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre