Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Rn2 – Kamiao roa lehibe nifandona

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany amin’ny lalam-pirenena RN2, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo tokony ho  tamin’ny 1ora sy 15 minitra maraina tany ho any. Kamiao lehibe roa samy mitondra « conteneurs » no nifandona, tany amin’ny tanàna atao hoe Ambohikambana, izay 88 kilometatra tsy hiditra ny tanànan’i Brickaville  raha avy aty an-drenivohitra. Tsy nisy ny aina nafoy fa iray tamin’ireo mpamily no naratra voa teo amin’ny tongony nefa naharitra ora roa nakana azy tao anatin’ilay fiara, araka ny loharanom-baovao.

Niteraka fitohanana teo amin’ireo fiarakodia, nampiasa ny lalam-pirenena RN2 iny ity lozam-pifamoivoizana ity satria voabahana tanteraka ny lalana, hany ka, voatery namorona fiolanana ny fiara kely rehetra fa ireo fiara lehibe kosa tsy maintsy niandry. Niteraka fahasorenana  ho an’ny maro ny fitohanana izay naharitra ora enina. Tamin’ny 7ora sy sasany maraina vao afaka ny fitohanana tao raha tamin’ny 1ora sy sasany izy ireo no nigadona teo an-toerana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre