Fahazoana rano fisotro madio sy fidiovana – Fanovana ny fitondran-tena no hany vahoalana
Raha vola 400 tapitrisa dolara no nomena an’i Madagasikara entina hanentanana amin’ny sehatry ny rano mba hahavitana ny Odd dia 201 miliara dolara isan-taona kosa no very vokatry ny loto eto an-toerana. « Tsy ny vola no hahazoana vokatra fa ny fanovàna ny fitondran-tena ny tsirairay no hahafahana mahatratra ny laharana faha-6 ao amin’ny tanjona amin’ny fampandrosoana maharitra (Odd) dia ny fahazoana rano fisotro madio sy fidiovana », hoy i Rakotondrainibe Jean Harivelo, mpandrindra nasionaly ny Diorano Wash. Tsy tokony hiankin-doha mangataka foana fa tsy vahaolana izany.
Nanantanteraka fivoriam-be andiany faha-14 naharitra roa andro ny 3 sy 4 febroary eny amin’ny hôtel Panorama, ny Diorano Wash hiarahana amin’ireo minisitera isan-tsokajiny, ny fiarahamonim-pirenena, ny orinasa tsy miankina, ny faritra 22 ary ireo mpamatsy vola. Sehatra natao hifanakalozan-kevitra hanatsarana amin’ny sehatra ny rano amin’ny famolavolana « plan d’engagement stratégique », amin’ny fanovàna ny fitondran-tena mba hametrahana lamin’asa ho amin’ny fampandrosoana hatramin’ny 2030 ary handrafetana ny paik’adim-pirenena ho an’ny 15 taona manaraka satria tanàna madio lavitra ny tay miparitaka no ezaka amin’ny taona 2015-2018 ary hahazo rano fisotro ara-pahasalamana ny taona 2025.
L.N