67ha – Nanjavona ny vola 1.4 tapitrisa ariary
Nisotrosotro teny amin’ny trano fisotroana toaka teny amin’ny 67 ha ny mpandraharaha iray ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Tokony ho tamin’ny misasak’alina, nanapa-kevitra ny hamonjy fodiana izy. Nanita-kevitra naka mpivarotena anefa izy ho entina matory teny amin’ny trano fandraisam-bahiny. Rehefa vita ny natao ka renoka ilay Ranamana, ny toaka nitaky ary tsy henony akory izay nivoahan’ilay vehivavy tao amin’ilay efitrano, nitondra ny volany mitentina 1,4 tapitrisa ariary sy ny finday amin’ilay tena avo lenta tokoa. Efa nifoha maraina izy vao nahatsiaro fa tsy teo intsony ratovovavy ary ny kitapo misy ny vola sy ny finday tsy tazana teo amin’ny toerany intsony. Omaly maraina, notadiavina izay misy an’ity farany fa tsy hita mihitsy. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy eny an-toerana ilay lasibatra, izy ireo indray no nandray an-tanana ny fikarohana ilay tovovavy. Tokony ho tamin’ny 2ora atoandro dia hita ihany ity farany ary nosamborina avy hatrany nentina natao famotorana. Rehefa nanontaniana ilay vola anefa izy nandritra ny fakana am-bavany dia nolazainy fa efa lany izany. Fantatra mantsy fa efa nividianany vatafahitalavitra « écran plat », « subwoofer » ary finday io vola io.
Laurena Nany