Mijaly ny vehivavy malagasy
Mankalaza ny andro natokana ho an’ny vehivavy rehetra maneran-tany isika anio 8 martsa. Miarahaba ny vehivavy mpanaraka ny gazety Madagascar Matin, ary mirary ho anareo ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana hatrany. Marobe ireo hetsika karakarain’ny fikambanana maro samihafa amin’ity andro anio ity hanehoana indrindra ny fitakiana ny fampiharana sy ny fanajana ny zon’ny vehivavy. Ho antsika eto Madagsikara aloha dia mbola lavitra ny afo ny kitay raha ny fanandratana ny maha olombelona feno ny vehivavy no jerena. Mbola miady irery sy miaritra ny mafy ny ankamaroan’ny vehivavy, na ankizy, na zatovo, na renim-pianakaviana. Vitsy ny misitraka izany zo izany ary resa-be sy fihetsiketsehana fotsiny ny ataon’ireo fikambanana milaza ho mpanao asa soa, sy ireo tompon’andraiki-panjakana maro samihafa. Ny tena olana aza dia matetika ny samy vehivavy no tena tsy manaja io zo io ary ireo nahazo fahefana kely dia manao izay azony atao rehetra hanosihosena ny vehivavy mitovy aminy. Hita eny anivon’ny toeram-piasana fa ireo sefo na tale vehivavy no tena tsy manao tsindrio fa lavo ireo eo ambany fahefany. Tsy noforonina izany fa misy ny porofo maro be ary ny tena maharikoriko sy mahamenatra dia ireo vehivavy lehibe tompon’andrikitra ambony tia misehoseho ho mpanao asa soa etsy sy eroa no tena mpanao io fihetsika mamotika ny vehivavy toa azy ireo io. Zava-misy ary tsy hafempenina fa tena mitondra ny mafy sy mijaly ny vehivavy miasa rehefa amin’ny fotoana hitondrany vohoka raha toa ka vehivavy no lehibeny ao ampiasana. Eny amin’ireny fitateram-bahoaka ireny sy eny amin’ny fandoavana vola na fakana vola dia marobe ireo vehivavy lehibe no tsy manaiky mihitsy hanome ny laharam-pahamehana ho an’ny vehivavy mitondra vohoka sy mitaiza kely. Resa-be fotsiny ary fihatsarana ivelan-tsihy ny filazana fa hiady ho an’ny zon’ny vehivavy raha tsy ny samy vehivavy aloha no tena mifanampy. Betsaka ny hetsika hisehosehoana anio fa tena mitaky ny fampiharana ny zon’ny vehivavy i Madagasikara sy ny malagasy saingy indrisy fa tetikasa natao hakana famatsiam-bola fotsiny ireny ary ny ampahany betsaka amin’ny vola azo dia any am-paosin’ny mpikaraka.
Eo amin’ny sehatry ny asa fampandrosoana ny firenena ihany koa dia hita fa tsy mitodika firy amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny vehivavy ny fitondram-panjakana. Mbola gisitra lava i Madagasikara amin’ny tetikasa rehetra fitsinjovana ny vehivavy. Ambany dia ambany ny tahan’ny fahazoana fitsaboana ara-dalàna sy manara-penitra. NY maimaim-poana moa dia efa tsy misy fa rehefa tsy manana vola hitsaboana tena ny vehivavy sy ny asany raha sanatria misy ny aretina dia na manantona ireo mpitsabo nentim-paharazana na miandry fahafatesana. Vao tsy ela fa iainana amin’izao fotoana izao ny fanaovana herisetra amin’ireo vehivavy mpivarotra amoron-dalana eny Analakely. Ankoatra ny vava be izay efa voasokajy ho herisetra dia misy mihitsy ny fihetsika mahery vaika sy fikasihan-tanana ireny Andriambavilanitra mitady isan’andro ny harapaky ny ankohonany ireny. Na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra dia tsy vitan’ny fitondram-panjakana ny mametraka tetikadin’ny fandriam-pahalemana ary manaporofo izany ireny herisetra, fanendahana, fanolanana, ary vono olona isan’andro izay re amin’ny fampahalalam-baovao ireny. Mbola lavitra ny lalana ary mbola nofy izany fanajana ny zon’ny vehivavy izany raha toa ka mbola mitana ny rambony amin’ny lisitr’ireo firenena mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara. Kabary ambony vavahady sy fihetsiketsehana no betsaka fa ny fampiharana azy tsy misy. Ny tena loza aza dia lasa fitaovana fitadiavam-bola ho an’ireo fetsifetsy sy tia tena ny fahorian’ny vehivavy maro an’isa eto amintsika. Maro be ireo manangana fikambanana ho fiarovana ny vehivavy nefa atao fanjakana fanampina fotsiny dia ny sombintsombiny kely sisa no mody atao fanomezana etsy sy eroa. Tena mbola mijaly ny vehivavy malagasy.
Ravalo tsy Manana