Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Analakely – Tratra teo ampanendahana ireo olon-dratsy

Noraisim-potsiny teo am-panendahana ireto roalahy ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Analakely. Saika nanendaka olona nidina nihazo an’iny Roxi iny ireo olon-dratsy ireo izao tratra izao. Araka ny vaovao voaray dia telo lahy izy ireo no mody nitakoko miaraka amin’ireny sarimbavy ireny ary nipoitra tampoka rehefa nahita ireo olon-droa nandeha an-tongotra nikasa handroba ireto farany. Nanohitra nikiakiaka niantso vonjy ny iray tamin’ireo lasibatra ary soa fa nisy an’ireny mpiambina teny amin’ny manodidina ireny nanavotra azy ireo. Vaky nandositra ireo olon-dratsy raha vao nahita ny fahatongavan’ireo mpiambina. Tsy lasa lavitra akory anefa dia voasambotra ny roa tamin’izy ireo raha toa ka tafaporitsaka ny fahatelo. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana akaiky teo ireo mpangalatra ary mbola tratra teny ny fitaovana entiny manao ny asa ratsy. Nahitana vola sy finday ihany koa tany amin’izy roa lahy ireto nandritra ny famotorana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana ihany koa fa manana akanjo maromaro izy ireo hifanoloana mandritra ny fanendahana mba tsy hahatratrarana azy ireo.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre