Fenoarivo Atsinanana – Enin-dahy sarona nitondra lavanila manta
Mirongatra ny fiotazana lavanila maitso any Fenoarivo Atsinanana. Saron’ny polisim-pirenena any an-toerana nitondra lavanila manta, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma 4 martsa lasa teo ireo lehilahy miisa enina. Tany amin’ny lalana Morondrano no nahatratrarana azy ireo hikasa hihazo an’i Toamasina. Lavanila milanja 350 kilao izay nafatratra tao anaty gony enina ity sarona ity. Nandray fepetra avy hatrany ny manam-pahefana any an-toerana nandoro ireo lavanila tratra ireo ary hatolotra ny fitsarana any Toamasina amin’ity herinandro ity ireo jiolahy.
Marihina fa mbola tsy misokatra amin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana lavanila ho an’ny Faritra Analanjorofo.
Tsikaritra anefa fa mahazo vahana tsy misy ohatra izany ny fiotazana lavanila tsy mbola matoy any Fenoarivo Atsinanana tato ho ato. Saika isaka ny herinandro mantsy dia ahitana tranga tahaka izao hatrany any an-toerana ary miafara amin’ny fandoroana ireo lavanila foana izany. Tsy misy vahaolana hafa ankoatra ny fandoroana ve azo atao amin’ireny lavanila manta ireny?
Laurena Nany