Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Antsahamanitra – Lasan’ny jiolahy mitam-basy ny vola roa baoritra

Efa-dahy mitam-basy no nanakana fiara iray marika Renault Express mitondra vola handeha harotsaka eny amin’ny banky iray eny Antaninarenina, omaly misandratr’andro. Volan’ny toby mpaninjara solika iray, eny Anosizato io lasan’ireo jiolahy teo ampiakarana an’Antsahamanitra io. Nisy lehilahy roa nijorojoro teny an-toerana ary tampoka teo, nisy niantso an-tariby ny iray ka nizotra niakatra tsimoramora, araka ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso ny trangan-javatra. Fotoana fohy taorian’izay, niakatra an’iny Antsahamanitra iny ilay fiara marika Renault Express ary nobahanana fiara iray hafa marika Peugeot 405 miloko volombatolalaka tsy misy laharana manoloana ny vavahady miditra an’iny toerana fanaovana lanonana iny.

« Nisy efa-dahy nitangorona tamin’ilay fiara Renault Express ka ny telo nanambana basy, basy lava ny roa ary poleta ny iray ary nitoto ny vodi-basy ny lohan’ilay mpamily sady naka ny lakilen’ny fiara. Ny fahefatra amin’izy ireo avy eo nisintona ny lehilahy tao anatin’izany fiara izany hivoaka tao, ny sasany kosa nibata ny vola roa baoritra », araka ny fitantaran’ireo mpiasa mikojakoja lalana rarivato niasa teny an-toerana.

Nirifitra nandositra niakatra an’Antaninarenina niaraka tamin’ilay Peugeot 405 avy eo ireo jiolahy. Nisy fiara tsy mataho-dalana ihany koa nandalo teny an-toerana mba niangaviana hanenjika ireo olon-dratsy saingy tsy lasa lavitra akory noho ny tahotra ka tsy hita izay nanjavonan’ilay Peugeot. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre