Tsy voahaja ny zon’ny vehivavy !
Maro be ny vehivavy voatery namonjy ny asa fanaony andavan’andro omaly na dia voafaritra ho andro tsy fiasana ho azy ireo aza ny 8 martsa. Tsy misy adihevitra sy fifanazavana fa rehefa teren’ny mpampiasa hoe tsy maintsy miasa dia tsy maintsy manaiky sao dia sanatria voaroaka, izay ny sitrapon’ny lehibe. Voakasik’io avokoa ny sehatra rehetra, amin’ny fanjakana na ny tsy miankina, eny hatreny amin’ireo sampan-draharahan’ny firenena mikambana sasany. Raha atao jery mivantana dia hita fa tsy manaja ny zon’ny vehivavy ny eto Madagasikara. Andro iray na tapak’andro ao anatin’ny taona no nomena ny vehivavy mba tsy hiasan’izy ireo nefa tsy mbola nohajaina ihany izany. Fihetsiketsehana fotsiny no betsaka natao satria te hiseho ireo manam-pahefana fa manaja ny toromarika iraisam-pirenena nefa tsy mahavita manatanteraka izany akory. Raha ny tokony ho izy dia tsy ny fankalazana manetriketrika tany Antsiranana no nilain’ny vehivavy malagasy fa ny fitsidihana ifotony teny anivon’ny orinasa tsy manaja ny zon’izy ireo. Tsy nisy mihitsy omaly tompon’andraikitra ara-panjakana na eny anivon’ireny fikambanana miseho ho mpiaro ny vehivavy ireny, sahy nitsidika sy nanakiana mivantana ireo orinasa tsy manara-dalàna mampiasa vehivavy amin’ny andron’ny 8 martsa.
Tranga iray manamarika sy manaporofo ny tsy fampiharana ny lalàna eto Madagasikara iny omaly 8 martsa iny ary maneho fa ny fanjakana mihitsy no tsy tan-dalàna sady tsy asian’ny olona vidiny. Matoa ny orinasa maro be sahy mampiasa vehivavy omaly dia mahafantatra mazava fa tsy hisy sazy hihatra amin’izy ireo. Eto Madagasikara mantsy dia vitavita ho azy eny hatrany ny raharaha. Raha misy vehivavy nidrikina fa tsy maintsy hijanona tsy hiasa omaly na dia eo aza ny faneren’ny mpampiasa azy ireo dia inoana fa ho voaroaka na ho voasazy nefa ny mpitondra Fanjakana sy ny fikambanana mpiaro ny zon’ny vehivavy dia tsy hijery izany velively.
Ny tena nahavariana omaly aza dia tsy hita ny firaisan-kina teo amin’ny samy vehivavy satria toa lasa fifaninanana indray ny zava-misy. Samy nanao hetsika manokana ireo vehivavy avy amin’ny andrim-panjakana samihafa mba hanasongadinana ny tenan’ny vadin’ny lehibe. Nampimenomenona ireo mpiasa vehivavy teny anivon’ny minisitera sy ny andrim-panjakana ny hetsika izay nomena hotarihin’ny vadin’ny minisitra na ny lehiben’ireny andrim-panjakana ireny. Mba misy loholona vehivavy ihany ao amin’ny Antenimierandoholona nefa ny vadin’ny filohany no nitarika ny hetsika. Mba misy vehivavy niady mafy teo amin’ny fiainana ka nahazo andraikitra ambony ihany eo anivon’ny governemanta sy ny fiadidiana ny repoblika nefa dia ny vadin’ny lehibe hatrany, no nomen-danja sy nasandratra. Raha toy izany hatrany ny zava-misy eto amin’ny firenena dia tsy mahagaga raha toa ka tsy mety voahaja mihitsy io zon’ny vehivavy dradradradraina mandavan-taona io. Ny avo ihany no hasandratra ary ny madinika dia atao lafika sy mpameno isa fotsiny mba hahafahana misehoseho.
Mbola lavitra ny lalana ary mbola very an-jambany ny ezaka natao rehetra satria tsy mikendry vokatra mazava fa mifantoka amin’ny fitiavana hirehareha sy hifaninana ary homem-boninahitra. Fizaràna fanampiana sy fananganana toerana fianarana asa-tanana matetika no be mpanao amin’ny andron’ny 8 martsa fa tsy misy mihitsy fikendrena ny ambony dia ambony mba hametrahana vehivavy marobe hitantana sy ho mpitarika eo anivon’ny fiarahamonina sy ny asa fampandrosoana ny firenena.
Ansian’ny tena nanaitra ny amro ihany koa omaly ny nanerena ireo mpianatry ny liseam-panjakana tsy maintsy hanohy ny fianarany nefa ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena nikarakara hetsika manokana ho fankalazana ny 8 martsa. Tsy mba afaka nisitraka sy nanatrika izany ny ankamaroan’ireo zatovovavy satria tsy maintsy nianatra nohon’ny fanapahan-kevitry ny lehibe. Eto Madagasikara marina isika !
Ravalo tsy Manana