Fankalazana ny andron’ny vehivavy – Andriambavilanitra ny 70 isan-jaton’ny mpiasa ao amin’ny MAALS
Toy ny efa fanao isan-taona, nankalazaina omaly 8 martsa ny fetin’ny vehivavy, izay andro iray natokana ho azy ireo. Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana izany daty manan-tantara izany ireo manana andraikitra sahanina eny anivon’ny Ministeran’ny Asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy noho izy ireo maro kokoa, noho ny lehilahy miasa ao amin’izany ministera izany. Araka ny statistika voaray dia 70 isan-jaton’ny mpiasa eny dia vehivavy avokoa.
Fotoana afahafana mieritreritra ny lasa sy anarenana ny lesoka ny andron’ny 8 martsa ho azy ireo satria tsy lavorary ny tsirairay. Nisy ny dinidinika notanterahana amin’ny fandraisana andraikitra ny andriambavilanitra amin’ny fampandrosoana ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalana sosialy satria ireo no fototry ny firenena, indrindra amin’ny lafiny ara-toekarena. Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny fikambanan’izy ireo eo amin’izany ministera izany.
Efa tsy fiadivan-jo amin’ny lehilahy
Efa mitovy zo tanteraka ny lehilahy sy ny vehivavy raha ny mahakasika ny anjara toeran’ny vehivavy eo anivon’ny asa amin’ity ministera ity. « Efa tsy fiadivan-jo amin’ny lehilahy no atao fa ny fanatontosana ny andraikitra rehetra mba hahafahana mametraka ny rafitra amin’ny fampandrosoana eto anivon’ny ministera. Tokony hanana finiavana hitarika kosa ny vehivavy satria manana tombony be amin’izany. Manana alalana sy mitantana kokoa eo amin’ny sehatry ny asa ; mahavita sy mahatontosa ny asa ampiandraiketina azy », hoy i Zafera Victoria Andreas, Talen’ny Tahiry sy ny fanavaozana eny anivon’ny ministeran’ny Asam-panjakana, ny asa ary ny lalana sosialy.
L.N