Herisetra atao amin’ny zaza – 3 taona an-trano maizina sy lamandy 2 tapitrisa no sazin’ilay vehivavy
Mitondra takaitra mandra-pahafatiny vokatry ny herisetra nataon’ny rahavavin-dreniny ny ankizivavy kely iray vao 6 taona monja. Ny volana janoary lasa teo no nisehoan’ny herisetra, tany amin’ny fokontany Andapy, kaominina sy distrakan’Antalaha ary mbola tsy sitrana ity zaza ity hatramin’izao fotoana izao. Nokapohin’ny nenifarany tamin’ny « bois rond » ny tongony, hany ka tena raparapa tanteraka. Tsy fantatra ny nahatonga ilay vehivavy nanao izao fihetsika izao fa nandeha niantsena ny renin’ilay zaza tamin’io fotoana io ka mba napetrany tamin’ny rahavaviny ilay zanany. Hatairana anefa ny azy raha nahita rà nijininika tamin’ilay zanany rehefa niverina avy tany an-tsena. Raha nanontaniana ny nahazo azy ilay zaza dia nilaza fa nokapohin’ny nenifarany ary tsy hita izay nanjavonany. Niainga avy hatrany nihazo ny hopitaly izy ireo mba hitondra ilay zaza hotsaboina sy nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana avy eo.
Raikitra ny fikarohana ny nahavanon-doza ka roa andro taty aoriana vao tratra. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana azy ary naiditra avy hatrany tany am-ponja niandry fitsarana. Roa volana aty aoriana, izany hoe omaly talata, niakatra ny fampanoavana ny raharaha telo taona an-tranomaizina sy lamandy 2 tapitrisa ariary no azony taorian’ny fihainoan’ny Mpitsara azy.
Laurena Nany