Sefo distrika mamo – Nanambana basy ireo mpitsabo iray hopitaly
Mahazo vahana ny fanaparam-pahefana sy tsindry hazo lena ataon’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny eto amin’ity Nosy ity. Tao anatin’ny herinandro monja dia efa nahitana karazana tranga telo amin’ny fihetsika tsy rariny asehon’ireo nomena fahefana ireo. Taorian’ny fanapahan-doha nataon’ny mpitandro filaminana tany Taolagnaro ny herinandro lasa teo sy ny famatoran’ny polisy ny tanana mpamily iray nitondra fiara karetsaka, teny Andraharo, ny alatsinainy lasa teo dia sefo distrika indray no voalaza fa nanapatra ny fahefany tamin’ireo mpitsabo rehefa mamo.
Sefo distrika iray any amin’ny faritra Atsimo izy io. Araka ny loharanom-baovao dia nisotro toaka tao amin’ny toeram-pisotroana iray, tany Toliara izy sy ny namany, ny alin’ny alatsinainy teo. Raikitra anefa ny sakoroka tao anatin’ilay toeram-pisotroana ary naratra mafy io namany io ka nitondra ity farany tany amin’ny vonjy aina tao amin’ny CHU tany Antanambao izy. Tsy fantatra izay notenenin’ireo mpitsabo azy tao fa avy hatrany dia nanambana basy azy ireo sy ireo « interne » sady nanao teny mahery tamin’ny fanaovana tsinontsinona ireto farany. Efa mamo tampona ity sefo distrika ity, araka ny loharanom-baovao hatrany. Manoloana izany dia voatery nanantanteraka fivoriana tampoka ireo mpitsabo rehetra ao amin’io toeram-pitsaboana io handinika ny tokony hatao.
Laurena Nany