Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Rn4 – Olona enina naratra navadiky ny Sprinter

Nampiteny azy indray ny fiara marika Mercedes Sprinter, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 2ora tany ho any, tamin’iny lalam-pirenena Rn4 iny. Nivadiky ambony ambany ary latsaka tany an-kady ny fiara iray mitondra mpandeha maro be vokatry ny fandehanana mafy. Teny amin’ny tanàna antsoina hoe Manjakavaradrano, izay 10 kilometatra miala an’ny tanànan’Andriba. Niainga avy taty an-drenivohitra hihazo an’Antsiranana ity taksiborosy ity izao tra-doza izao. Tsy nisy ny aina nafoy fa mpandeha miisa 6 no naratra mafy. Potika tsy nisy noraisina ilay fiara torak’izany koa ireo entana dia ny legioma sy ny voankazo izay saika hamidy any an-toerana. Efa manaraka fitsaboana ireo naratra fa ireo mpandeha ambiny kosa efa nanafarana fiara iray hafa avy aty an-drenivohitra nitondra azy ireo  any Antsiranana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre