Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Mila vonjy ny renivohitra

Orana tsy naharitra antsasak’adiny akory, niampy rivotra nandritra ny dimy minitra raha nisy dia nikorontana ambony ambany ny renivohitra. Maro be ireo mpiasa sy mpianatra no tamin’ny 11 ora alina vao tonga tany an-trano, nohon’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Nahagaga ihany koa fa nanjavona tsy nisy hita ireo mpitandro filaminana raha vao nanomboka avy ny orana ka nitohana ny fifamoivoizana. Ny rano niakatra, ny takelaby fanaovana dokam-barotra nianjera, ny lavaka eny amin’ny arabe efa tsy hita lazaina intsony, koa tsy mahagaga raha nitohana tanteraka ny fifamoivoizana. Samy maika hody rahateo koa dia samy nanao izay danin’ny kibony sy ny saim-pantany ireo mpamily. Ny tena nahagaga tamin’iny afak’omaly hariva iny dia feno kamiao teto afovoan-tanàna. Fa avy aiza daholo izy ireny, ary maninona no tsy nosakanan’ny polisy ? hoy ny fanontanian’ny maro. Voavaly avy hatrany io fanontaniana io satria tsy nanao ny asany ireo polisy tokony hanakana ireo fiarabe fa samy lasa namonjy fodiana. Iza ary no homena tsiny ? Zanahary izay nanao ny rivotra sy ny orana ve ? Sanatria ! Ilain’ny olombelona ny rivotra sy ny orana ary fitahiana ny anomezany izany fa ny mpitondra izay nomena fahefana hiahy ny vahoaka no tsy nahavita ny asany. Raha tsy simba avokoa mantsy ny fotodrafitrasa fanarian-drano, sy ny lalana eto an-drenivohitra dia tsy hiteraka fitohanana be ny orana milatsaka sy ny rivotra mifofo. Matoa mitohana ny fifamoivoizana dia tsy afaka haleha ny arabe satria sady feno rano no feno lavaka. Lojika raha mitandrina sy mandeha mora ny mpamily ary mifampiandry rehefa mifanena satria tsy maintsy miala lavaka sao simba ny fiara. Ireo mpandeha an-tongotra ihany koa dia maro no mirotsaka eny amin’ny arabe satria feno lavaka ny sisin-dalana no maizina be ihany koa, nohon’ny fahatapahan’ny jiro. Na ny mpitondra Fanjakana foibe na ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra anefa dia samy nampanantena tamin’ny fotoanan’ny praopagandin’izy ireo fa hanao izay asa rehetra entina hanatsarana sy hahamendrika ity renivohitra ity. Ny fananganana fotodrafitrasa sy ny fanarenana ireo efa eo fa misy fahasimbana no tena ifantohan’izany asa fampandrosoana izany. Hatreto aloha dia tsy hita izay vokatra azo fa ny kabary ambony latabatra sy ny fizahozahoana no tena mirarakompana.

Manampy trotraka izany rehetra izany ihany koa ny tsy fahafehezan’ny mpitondra Fanjakana mihitsy ny famatsiana herinaratra satria vao misy erikerika kely milatsaka fotsiny dia efa maizina mandritra ny ora maro ny renivohitra. Tsy vitan’izany fa mbola mitohy hatramin’ny ampitso ny delestazy. Dia miverina ilay fanazavana ara-tekinika izay hatramin’ny bodo sy ny adala mahay tsianjery azy dia ny hoe nilatsahan’ny varatra ny fitaovana dia simba, na ihany koa feno fako nentin’ ny riaka ny milina mpanodina rano ka tsentsina. Mampihomehy hoy ny fitenin’ny tanora saingy tena mamohehitra ny zava-misy satria mihevitra ny vahoaka ho kentrina sy tsy mahalala na inona na inona mihitsy ireo manam-pahefana sy manana andraikitra ka vokisana fanazavana tsy mitombina ny mpanjifa rehefa injay tsy mahay ny asany ireo ao anivon’ny JIRAMA sy ny Fanjakana. Rehefa handray volan’olona anefa maika sy manao fanaparam-pahefana ary mandrahona ny hanapaka jiro raha vao misy fahatarana kely ny fandoavana ny fakitiora izay tsy mazava akory satria misondrotra isam-bolana lava izao.

Fa Fanjakana inona marina no misy eto amintsika eto e ? Toa manao izay tiany hatao ny manana fahefana rehetra ary tsy te hahalala izay fahoriam-bahoaka any. Milaza ho mahay sy mahavita ny asany ary afa-po amin’izay nataony anefa ireny tompon’andraikitra ireny. Mijaly sy mitaraina ary miantso vonjy ny vahoaka. Iza anefa no antenaina hanavotra ?

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre