Mpividy volamena tsy ara-dalàna – Efatra mianadahy no voasambotra
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny polisy amin’ny fanadiovana ny firongatra ny fiparitahan’ny volamena tsy ara-dalàna eto an-drenivohitra, amin’ny alalan’ny « opération volamena ». Voasambotra teo ampanaovana ny asany, ireo mpividy volamena tsy ara-dalana efatra mianadahy nandritra ny fisafoana natao ny andron’ny 9 martsa lasa teo, teny akaikin’ny EPP Rabearivelo sy manoloana ny Shoprite Analakely. Araka ny vaovao avy amin’ny polisy, tra-tehaka teo am-panontaniana olona indrindra izy ireo. Vaky nandositra, nifanenjehana saingy tsy tratra kosa ny sasany raha vao nahatazana ny mpitandro filaminana. Antony nisamborana azy ireo ny fividianana volamena halatra na avy noendahana. Natolotra ny fampanoavana omaly ihany izy ireo.
L.N