Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Ady amin’ny lefakozatra andiany fahafito – Tsy hisy ray aman-dreny handà intsony ny tanjona

Tratra ny tanjona amin’ny famongorana ny aretina lefakozatra eto Madagasikara, manoloana ny tsaho sy ny fandavana ataon’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra eny amin’ny sekoly tsy miankina. Tamin’ny volana aprily 2015 dia  98% ny zaza malagasy no vita vaksiny miaro amin’ity aretina ity. Noho izany, tombanana ho vita vaksiny avokoa ireo mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana sy ny tsy miankina manerana ny Nosy amin’ity andiany fahafito ity. Mba hahatratrarana izany tanjona izany, nanantanteraka fivoriana fampahafantarana ny amin’io aretina io ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena izay niarahana tamin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ireo tale nasionaly ary ireo tompon’andraikitra avy amin’ny sekoly tsy miankina, teny amin’ny Dlc Anosy, omaly.

Hisy noho izany ny fanentanana hanombohona ny asa izay ataon’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny sekoly rehetra satria betsaka ireo ray aman-dreny misalasala tratran’ny tsaho. Andraikitra efa noraisin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena rahateo ny hiaro ny ankizy rehetra satria mety mitondra areti-mandoza ho an’ny zaza manerana ny Nosy ny fisian’ny zaza tsy vita vaksiny na dia iray aza.

« Tafiditra amin’ny ady atao amin’ny lefakozatra ny fianakaviam-ben’ny fanabeazana. Efa hatramin’ny fiandohan’ny fampielezan-kevitra no nanentana ny sekoly na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana izahay ary tsy hitsahatra raha tsy fongana tanteraka ny eto Madagasikara », hoy i Rabeandalana Sandrot, Tale misahana ny maha olona eo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre