Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Andapa – Lasibatry ny mpanapa-doha ny mpianatra

Mahazo vahana ny herisetra feno habibiana amin’ny fanapahan-doha ataon’ny olona any amin’ny Faritra Sava, tato ho ato. Ankoatra ilay raim-pianakaviana 54 taona maty notapahan-janany ny lohany, ny faran’ny herinandro lasa teo, noho ny lonilony nisy teo amin’ny roa tonta vokatry  ny adin-tany. Zazalahy iray vao 16 taona monja hafa koa no hita faty tsy nisy loha tany amin’ny lalana hihazo an’ Andapa, roa andro taty aoriana.

Nivarahontsana ny fokonolona raha nahita azy tsy nisy loha intsony, tany anelanelan’Anjiabe sy Amboangibe, ny alatsinainy teo, teo anelanelan’ny 6ora hatramin’ny 7ora hariva tany ho any. Mpianatra kilasy fahatelo ao amin’ny CEG Andranomifotitra any an-toerana ity namoy ny ainy ity, araka ny loharanom-baovao. Mbola tsy fantatra ireo nahavanon-doza, fantatra kosa fa notapahana tamin’ny famaky ny lohany nandritra ny fizahana natao.

Tsy hay hoe atao inona fa noentin’ireo mpamono olona ny lohany ary tsy hita izay toerana nasian’ireo izany. Raha zohina akaiky dia mitovy tamin’ny fomba namonoan’ny mpitandro filaminana tovolahy iray tany Tanamasy Manambaro, any Taolagnaro, ny faran’ny herinandro teo ity nitranga ity. Noentin’izy ireo ny lohan’ilay tovolahy raha toa ka nasainy nalevina ny vatana mangatsiakany. Misokatra ny fanadihadiana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre