Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Firenena very hasina

Nangingina ary tsy nisy akony firy ny fankalazana ny taom-baovao malagasy raha oharina tamin’ny taom-baovaon’ny firenen-kafa. Tsy mba natao andro tsy fiasana rahateo ka maro ny olona no tsy afaka nankalaza izany ankoatra ireo tsy nahalala mihitsy. Tsy misy lanjany firy amin’ny fitodram-panjakana ankehitriny ny fanandratana ny maha malagasy satria maika ny hanenjika ny fanaon’ny vahiny izy ireo. Toa lasa henatra aza ny kolontsaina sy fomba amam-panao malagasy. Tsy misy maharatsy ny nentim-paharazana anefa satria io no fototra nipoirana ary ihany koa ijoroan’ny taranaka aty aoriana. Tsy ho vazaha na oviana na oviana ary tsy hahafehy ny kolontsaina vahiny mandrakizay ny malagasy ka mila mifototra amin’ny azy manokana ka mikolo izany mba hanandratana ny firenena. Manana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ary ny fanatontoloana ny vahiny ka ireny no ihazakazahan’ny mpitondra malagasy ny hanaraka azy. Vao tsy ampy herinandro akory anefa izay no nanasokajian’ny sehatra iraisam-pirenena any amin’ny laharana faramparany amin’ny fanatanterehana ny fanatontoloana an’i Madagasikara. Izany hoe fandaniam-potoana sy herim-po very maina fotsiny ihany ireo lazaina fa ezaka nentina hampakarana ny lanjan’ity nosy maitso fahiny efa niofo ho mena ankehitriny ity satria tsy misy akory ny fivoarana naterak’ireo fisolelahana sy fanarahana an-jambany ny fepetra sy ny fomba fiainan’ny vahiny.

Raha samy hiezaka ihany tsy aleo ve ny an’ny tena no hamafisina. Manana ny kolontsaina sy ny fomba fitantanana ny fiarahamonina ny malagasy ary mahafehy izany saingy ny finiavana no tsy misy. Atao resaka sy fitadiavam-bola fotsiny ankehitriny ny fihavanana fa tsy misy ny fanatanterahana azy. Porofon’izany, tsy nahavita nifamitram-pihavanana akory ireo filoha 5 mirahalahy na dia teo aza ny fampifanantonana sy ny fivorian’izy ireo matetika. Ny tena loza dia vao maika nitombo ny fifankahalana teo amin’izy ireo izay noheverina fa raiamandreny fakan-tahaka ho an’ny tanora sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny. Tsy mahagaga raha lasa mora sorena sy tia ady ny malagasy satria mifantoka betsaka amin’ny fifanenjehana sy ny fifanaratsiana ary ny fifankahalana ny foto-kevitra atao maodely arahin’ny vahoaka eto. Miady sy misara-bazana dia mifanaratsy sy mifanebaka ny samy mpanao politika. Resaka fitiavan-tena sy fikatsahana tombontsoa manokona fotsiny ihany anefa no tena mahatonga izany. Aleon’izy ireo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola satria misy tena tsy menatra mihitsy miova kabary sy foto-kevitra arakaraka ny zava-misy mety hahazoany tombontsoa sy seza eo anivon’ny fitondram-panjakana.

Ao anatin’izany rehetra izany, adino ny fanomezan-danja ilay taom-baovao malagasy. Ho an’ny firenena efa tena mandroso anefa dia tsy adino velively ny fitazomana ny fototra niaviana. Manaporofo izany ry zareo sinoa izay nankalaza ihany koa volana vitsy izay ny taom-baovaon’izy ireo. Nataony nanetriketrika nalaza maneran-tany ary nisy fankalazana hatraty Madagasikara mihitsy ny azy. Ny an’ny gasy kosa dia variana amin’ny fikarakarana ny frankofonia ny mpitondra ka tsy te hahalala izany taom-baovao izany. Ireo fikambanana ivondronan’ny tarak’andriana sy mpanjaka avy amin’ny foko rehetra manerana ny Nosy miampy ireo mpandala ny fomba nentim-paharazana sisa no manao izay ho afany hampatsiahivina fa firenena manana ny tantarany sy ny fomba amam-panaony i Madagasikara fa tsy sanatria nipoitra ho azy tamin’izao ankehitriny izao ka voaozona tsy maintsy hanompo ny fomba fahiny. Tsy handroso mihitsy ity firenena ity raha toa ka manao izay hanasoavana ny an’ny vahiny hatrany ny mpitondra sy ny vahoaka fa tsy mba mijery ny an’ny firenena. Tsy mahagaga raha tsy asian’ny olona lanjany fa dia sokajiana ho firenena farahidiny sy gisitra lava izao. …ny tompony aza tsy tia, araka ny fitenenana, koa iza no andrasan’ny mpitondra hanampy amin’ny fanarenana ity firenena?

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre