Lozam-pifamoivoizana – Olona roa naratra mafy
Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena Rn4 iny ny harivan’ny 9 martsa, tamin’ny 6ora. Reraka ny mpamily ity fiara iray tsy mataho-dalana hihazo ny renivohitra ka niala lalana. Vokany, nivadika ambony ambany ilay fiara, naratra mafy ny vehivavy roa tamin’ireo olona efatra tao anatiny. Avy namonjy fankalazana ny andron’ny vehivavy tany Antsiranana izy ireo, araka ny vaovao voaray izao tra-doza izao, rehefa nandalo teny Ambatomahamanina, fokontany Ambohitrampivohany, kaominina sy distrikan’ Ankazobe. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana. Ireo naratra kosa avy eo nentina notsaboina any amin’ny hopitaly CHD II Ankazobe ary tsy misy ahiana ny ain’izy ireo.

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny