Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Fiahiana ara-tsosialy – 10 isan-jaton’ny mpiasa ihany no misitraka izany eto Madagasikara

10% amin’ny mpiasa eto Madagasikara ihany hatreto no misitraka ny fiahiana ara-tsosialy, noho ireo mpampiasa tsy manefa ny adidiny nefa mahalala tsara, na ihany koa ireo mpiasa mihitsy no tsy mety miditra ho mpikambana CNaPS. Ao koa ireo efa niasa an-taonany maro anefa tsy mahafantatra ny didy aman-dalàna. Tsy mikely soroka ny manaparitaka izy ireo fa zo fototra ny fananana fiahiana ara-tsosialy, noho ny tsy fahalalan’ny maro.  Nanome fiofanana nandritra ny 3 andro ny mpiasa, tamin’ny orinasa tsy miankina iray any Mahajanga izy ireo, izay nokarakarain’ny SASS na ny (Service d’Actions Sanitaires et Sociales),notarihin’Atoa RANDRIANRIJAONA Charles Emilson.

Mahatratra 500 mahery ny mpianatra avy amin’ny sekoly katolika sy ny lisea ary ny fikambanana tanora any Boeny. Noho izany, napetraka any Mahajanga ihany koa ny Tahirim-pirenena ny fananangana ny Club CNaPS Zandriolona. Ity farany izay nampahafantarana ny ankizy dieny mbola kely ny maha zava-dehibe ny fananana fiahiana ara-tsosialy satria izy ireo no ho mpiasa sy ho mpampiasa rahampitso. Nisy,araka izany ny kilalaon-tsaina naompana tamin’ny asan’ity mpiahy ny mpiasa sy ny vady aman-janany ity manomboka any am-bohoka ka mandra-pahafaty. Isan’izany ny fanampiana ny fianakaviana, ny fanampiana omena ireo tra-doza sy voan’ny aretina am-perin’asa ary ny fisotroan-dronono rahatrizay tonga ny fahanterana.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre