Fanampiana ireo olona kere – Nanolotra vary 1 taonina ny ENAM
« Voin-kava-mahatratra ». Nanolotra izay voatsirambin’ny tanany ihany koa ireo mpianatra avy ao amin’ny fiofanana mitohy « formation continue » eny amin’ny sekoly ENAM Androhibe, entina hanampiana ireo mpiray tanindrazana tratran’ny kere any amin’ny faritra Androy. Tao anatin’ny fankalazana ny fety iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy no nitsiry ny hevitr’ireo andriambavilanitra izay maro an’isa ao amin’ity sekoly ity ho fiarahana miombom-po sy firaisankina amin’ireo vehivavy manana fahasahiranana any Atsimon’ny Nosy. Amin’ny maha olom-pirenena tsotra ireo mpihaino na « auditeurs » ao amin’ny ity sekoly ity ihany koa no antony faharoa amin’izao fanampiana izao. Tsy anavahana olona tratran’ny mosary any Androy ny fanampiana fa ireo vehivavy mampinono sy mbola manana zaza madinika no tena laharam-pamehana.
Ankoatra ny vary iray taonina mahery, voamaina sy ronono dia nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy any an-toerana ihany koa izy ireo amin’ny maha sekoly ity ivon-toeram-panofanana ity na dia olon-dehibe aza no ofanina ao.
« Tsy hijanona eo ny fanampiana fa fanomboha ihany izao. Fidinana any an-toerana no mety fanohizana izany satria tsara raha mba mahita any ifotony ireo mpiofana amin’ny mety mahatonga ny tsy fampandrosoana iny Faritra iny sy ny fitadiavana vahaolana maharitra fa tsy hijanona eny ambony latabatra aty ihany ny fampianarana omena », hoy ny Tale jeneraly Rabetahina Pascal Pierrot.
Omaly no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, teny Androhibe izany fanampiana izany, iry voalohany izay miandraikitra ny fizaràna izany any Androy.
L.N