Ambohimahasoa – Nanjavona ny omby maherin’ny dimampolo
Mitohy ny asa ratsy ataon’ny dahalo amin’ny fandrobana ny ombin’ny fokonolona any amin’ny distrikan’Ambohimahasoa. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray mantsy tao amin’ny tanàna atao hoe Antanifotsy sy Ambohimahasoa, tao amin’ny fokontany Tsara II, kaominina Morafeno, ny alin’ny 9 hifoha 10 martsa, tokony ho tamin’ny 1ora. Andian-dahalo miisa 50 nitondra basim-borona sy kalachnikov no nandrava omby miisa 52 an’olona 16 tao amin’ireo toerana ireo. Nipoapoaka ny feom-basy nandritra ny fanafihana rehetra ka tsy nisy sahy nipoitra ireo lasibatra. Nalalaka ireo olon-dratsy naka ireo biby ary samy nanesy tsirairay avy nivoaka ny tanàna. Nizotra nianavaratra atsinanana nankany amin’ny kaominina Ambatosoa ny dian’ireo dahalo ka raikitra avy eo ny fanarahan-dia nanaraka izany. Nifanehitra ny roa tonta ka tafaverina ny omby miisa 13, ora vitsy taorian’ny fanarahan-dia, raha toa ka efa maty novonoin’ireo malaso ny telo.
L.N