Digue – Lehilahy iray saika hamono tena nitsoraka tamin’ny fiara nandalo
Naratra mafy, vaky loha ny lehilahy iray rehefa nitsoraka tamin’ny fiara nandalo, omaly maraina, teny amin’ny lalana Digue. Tsy fantany angaha fa « ny aina anie ka fofonahandro, raha sokafana dia lasa » nefa mety te hanapitra ny androny koa izy fa tsy nisalasala ranamana nitsoraka tamina fiara mandeha. Saika nitsoraka tamin’izay fiara maro nandalo teo izy saingy nahay niala avokoa ny mpamily ireny fa ity takisibe 114 no tsy afa-nanohitra, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso ny loza. « Efa nanitsy tamin’ny fiara 4×4 iray nirimorimo mafy be ilay lehilahy fa afaka niala ny mpamily. Nisy takisibe 194 ihany koa saika hitsorahany fa afaka azy hatrany. Tsy afa-nanoatra kosa ilay takisibe 114 nandalo farany tamin’iny lalana iny fa notsorahan’ny zoky teo amin’ny fitaratra na mba niezaka niala azy ihany aza», hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny vavolombelona nanatrika ny zava-nisy.
Mafy ny dona nahazo azy, porofon’izany ny fahavakisan’ny fitaratra’ilay fiara raha toa ka vaky lohany. Tezitra tamin’ny fihetsiny ireo olona nahita ny loza, hany ka tsy nisy nety nanavotra azy fa nijery fotsiny. Ny ra anefa nijininika be nivoaka ny lohany. « Te-ho faty maninona raha tao amin’ny ranon’Ikopa eo ampita eo no nitsoraka niaraka amin’ny vato be mifatotra eo amin’ny tenda fa tsy mampiditra andro ny hafa eo. Izao tsy maty nefa marary fotsiny ny ainy », hoy hatrany ireo olona teny an-toerana.
Laurena Nany