Antsirabe – Zazavavy vao 13 taona naolan’ny talen-tsekoly tsy miankina iray
Nitrangàna habibiana tsy roa aman-tany indray tao an-tampon-tanàn’Antsirabe. Niharan’ny filan-dratsin’ny talen-tsekoly tsy miankina iray ao Velodrome, ny 27 febroary lasa teo, ny zazavavy kely iray vao 13 taona monja. Tsy nijanona teo fa mbola nogiazany tao an-tranony tsy nahazo nivoaka nandritra ny efatra andro ihany koa ilay tsy manan-tsiny. Gaga ny ray aman-dreniny raha nahatsikaritra fa tsy nody ilay zaza nandritra izay andro maromaro izay ka nametraka fitairanana teny amin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Nandeha ny fanadihadiana ka sarona tao an-tranon’ilay talen’ny sekoly ianarany ilay zaza.
Manana olana amin’ny vadiny ilay tale ka monina irery ao amin’ny faritra ny sekoly ihany izy, araka ny vaovao voaray. Nosamborina avy hatrany ilay mpanolana ary nentina natao fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny manam-pahefana. Nandritra ny fakana am-bavany azy no nahafahana nisambotra olona telo hafa izay niray tsikombakomba taminy. Niakatra fitsarana ny herinandro teo ny raharaha ary notazomina am-ponja vonjimaika ireo olona efatra voarohirohy.
Manoloana ity trangan-javatra mampalahelo ity dia maro ireo olona any an-toerana mangataka ny fanakatonana ity sekoly tsy miankina ity satria tena malaza ratsy amin’ny fampisotroana toaka ireo mpianatra .
Laurena Nany

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny