Herinandro masina !
Nanomboka ny alahady teo tamin’ny alalan’ny alahadin’ny sampankazo na sampandrofia ny herinandro Masina hoan’ny mpino kristianina izay maro an’isa eto Madagasikara. Herinandro natokana hiomanana handraisana ny fetin’ny paska izay hankalazaina ny alahady ho avy izao. Fanjakana laika no mijoro eto araka ny Lalàmpanorenana nefa kosa tsy azo lavina fa mbola ny finoana kristianina no be mpanaraka ary ny fety katolika dia tafiditra amin’ireo fety ofisialy eken’ny Fanjakana sy ankalazain’ny rehetra. Tsy fombafomba na fihetsiketsehana fotsiny ny herinandro masina fa fotoana fanomanan-tena handraisana ny Paska izay fototra ijoroan’ny finoana kristianina satria nandresen’ilay mpamonjy ny fahafatesana sy nitsanganany tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo. Fotoanan’ny fiovam-po amam-panahy, fiaiken-keloka sy fifonana ary fialana amin’ny ratsy fanao ity herinandro ity. Tsy voatery ho ny mpivavaka irery no hanao izany fa ny rehetra mihitsy indrindra ireo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena. Inona tokoa moa ny fatiantoka raha toa ka samy mifandefitra sy mifamela ary miaiky ny tsy nety nataony mba hahafahana miroso amin’ny firaisankina sy ny fifankatiavana ka hametrahana fihavanana marin-toerana hiaraha-mijery izay mety hahasoa ity firenena ity. Mariky ny fandresena ny Paska ho an’ny kristianina, ary tsy lavitra fa hankalaza ny 29 martsa ihany koa isika izay fahatsiarovana ny tolom-panafahana nataon’ireo tia tanindrazana tamin’ny taona 1947. Ireo fotoan-dehibe roa mifanakaiky ireo dia mampatsiahy hatrany fa mila mampiseho fitiavana sy firaisankina ny malagasy. Be loatra ny fifankahalana sy ny fitiavan-tena ary ny herisetra mitranga eto amintsika, noho ny tsy fisian’ny firaisankina. Tsy olana amin’ny samy malagasy intsony ny mifamono sy mifandripaka, ary tsy mampihetsi-bolomaso ny mpitondra ny mahita ny fahasahiranan’ny vahoaka. Fotoana kosa izao hanadinoana izany ratsy rehetra izany ary hananganana fiarahamonina sy foto-pisainana vaovao mendrika ny soatoavina maha malagasy sy ny fitondran-tena takian’ny vanim-potoana ankehitriny. Tsy voatery handrodana ny efa mijoro na ihany koa handripaka ny efa miaina anefa vao afaka hiroso amin’ny fanovana fa samy miaiky ny tsy nety nataony ary manova toetra mba hahafahana mampifandray ny tadin-dokanga sy mamondrona ny hery ho amin’ny tombontsoa iombonana. Mila fifandeferana sy fifampitsinjovana ny fiaraha-miaina fa tsy voatery hifandona sy hisavorovoro akory vao hisy ny filantoana. Finiavana sy fahatsapan-tena fotsiny fa manana adidy aman’andraikitra hampandroso miaraka ny firenena dia efa hisy vokany mazava ho amin’ny fanatratrarana ny asa fampandrosoana. Tsy vahaolana rahateo ny ady sy ny herisetra ary manaporofo izany ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny. Tsy mety tafarina ny firenena, noho ny takaitra navelan’ireo krizy sy savorovoro nifanesy hatramin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena. Tsy ny ara-toekarena ihany no potika fa ny ara-tsosialy sy ny toetsaina ihany koa. Hatramin’izao vanim-potoanan’ny fahazavana sy ny fisokafan-tsaina izao dia mbola maro ihany ny malagasy no mivoy ny resaka fiaviana sy ny fahasamihafana. Hita taratra izany eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana izay tena voizin’ny antokon’olona sasany fa tsy maintsy misy solontenan’ny avy any aminy ao anatin’ny ambaratongam-pahefana rehetra misy. Eny anivon’ireny minisitera ireny dia misy ny fomba fanao izay hampidirana ny olona rehetra mpiray fiaviana amin’ny minisitra. Toe-tsaina efa nilaozan’ny toetr’andro ihany izany satria i Madagasikara dia an’ny malagasy ary iray ihany ny vahoaka malagasy. Ny vahiny mpanjana-tany no nivoy ny resa-piaviana teto mba hahafahan’izy ireo mametraka ny zarazarao hanjakana. Dia nety ilay tetikady satria lasa mifanenjika sy mifamingana an-tanindrazana ny malagasy ka tsy mety tafarina mihitsy. Ankehitriny, ao anatin’ny herinandro masina isika, ka tokony hijoro ho vahoaka iray tsy zarazarain’ny fahasamihafana ara-tsosialy, ara-piaviana, ara-politika, ara-pivavahana fa mila mijery ny firaisankina sy ny fifankatiavana. Mora tenenina anefa izany rehetra izany fa sarotra tanterahina satria marobe ireo efa very fanahy sy jamban’ny fitiavan-tena ka tsy manaiky ny hiova amin’ny fahazaran-dratsy fanaony.
Ravalo tsy Manana