Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Ampefiloha – Raim-pianakaviana voaendaka sy voavona

Niharan’ny vono sy fanendahana teny Ampefiloha, ny zoma alina lasa teo, tokony ho tamin’ny 8ora ny raim-pianakaviana iray. Telo lahy no nanendaka azy tamin’io fotoana io ary vaky nandositra nihazo ny lalana fiodinan’ny fiara eny Andavamamba rehefa nahazo izay nilainy. Nifanehitra tamina vehivavy iray indray izy ireo rehefa nandositra niala teo ka nanaovana  herisetrana sy ny asa fanendahana ihany koa. Tratran’ny polisy manao fisafoana anefa ka raikitra ny fifanenjehana. Voasambotra tamin’izany ny iray tamin’ireo mpanendaka. Fantatra nandritra ny famotorana ity farany fa efa mpanendaka hatrany amin’ny fahazazany izy satria efa avy nisazy teny amin’ny akany fanarenana zaza nania, eny Anjanamasina.  Efa io ihany koa ny asa fivelomany sy niainany, tao Manarintsoa Afovoany hatramin’izay ka hatramin’izao. Eny amin’ny faritra Andavamanba sy Ampefiloha no toerana fanaovany ny asa ratsy. Nametraka fitoriana ireo lasibatra ka natolotra ny fitsarana omaly ilay olon-dratsy ary naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora miandry ny fitsarana azy.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre