20 taona asa an-terivozona kosa no azon’i Rado
20 taona asa an-terivozona no azon’ny tovolahy iray antsoina hoe Rado, rehefa niakatra Fitsarana, omaly maraina, teny Anosy. Voampanga ho nanolana sy namono nahafaty zazavavy 11 taona sy nandratra ny renin’ity farany ity izy ny 6 aogositra 2014, tamin’ny toerana iray teto an-drenivohitra. Mpanao birika tao amin’ireo lasibatra ity tovolahy ity. Niditra an-tsokosoko tao an-trano nametaveta ilay zazavavy izy tamin’ny tsy naha tao an-trano ny ray aman-dreniny. Tsy vitan’ny naolana ihany anefa fa novonoiny ihany koa ilay tsy manan-tsiny. Notsatohany ny antsy ilay zazavavy kely rehefa nikiakiaka niantso vonjy ka maty tsy tra-drano. Niditra tampoka ny renin’ilay zaza raha mbola teo am-pamonoana ilay tsy manan-tsiny ity tovolahy ka noratrainy avy hatrany koa.
Niaiky ny heloka vitany i Rado manoloana ireo mpitsara. Fantatra ihany koa fa efa nisy olona dimy hafa matiny ankoatra ilay zazakely. 20 taona asa an-terivozona sy manome onitra 2 tapitrisa ariary ny mpitory no sazy azony, taorian’ny fihainoana azy. Tsy maintsy vitainy ato anatin’ny telo andro ny taratasy momba izany.
L.N