Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Nosy Varika – Mpanolana roalahy matin’ny fitsaraham-bahoaka

Azo lazaina fa efa eran’ny Madagasikara ny fitsaraham-bahoaka amin’izao fotoana izao. Aleon’ny fokonolona mitsara ireo olon-dratsy amin’ny fahaizany azy sy  tsy mamela mihitsy raha tsy manaraka hatramin’ny aina toy izay ny mandre ny fanapahan-kevitra ny mpitandro filaminana. Tahaka ny nahazo ny tovolahy roa tany Nosy varika, ny faran’ny herinandro teo. Nandroba vehivavy iray  no niantombohan’ny filan-dratsin’ireo jiolahy, ny talata 15 martsa lasa teo, tao amin’ny fokontany Fanivelona. Lasa ny vola 1,4 tapitrisa ariary. Tsy nijanona tamin’ny fandrobana anefa izy ireo fa mbola naolana ihany koa ilay lasibatra ary niafara tamin’ny fandatsahana aina azy izany. Nisy nahatsikaritra anefa ny fanaovan’ireo jiolahy izany sy ny nasian’izy ireo ny razana ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo olona nahatazana ireo. Nosamborina rehefa avy eo ireo mpamono olona fa ny razana kosa natolotra ny fianakaviana taorian’ny fizahana.

Nirohitra nidina teny amin’ny biraon’ny zandary ny havan’ny maty rehefa vita ny fikarakarana ny momba ny razana. Niaraka tamin’ny antsy lava sy famaky ary lefona izy ireo ny faran’ny herinandro teo, nitaky ny hanaovana fitsaraham-bahoaka ireo mpanao ratsy. Tsy nety nanome moa ireo mpitandro filaminana saingy tsy nahatohitra ny herin’ny vahoaka ka lasan’ireto farany ireo roalahy mpanolana. Nentin’izy ireo tany amin’ny tetezana iray izay 4 kilometatra miala ny tanàna nanaovana fitsaraham-bahoaka izy mirahalahy ary tsy namelan’izy ireo mihitsy raha tsy maty tahaka ny havany.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre