Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Tantely afa-drakotra

Mateti-piavy tato ho ato ny fandrenesana fa nisy fikasana hanondrana sokatra an-tsokosoko tany ivelany sy teto an-toerana. Mandritra ny fitaterana ireo biby tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ireo hatrany no ahitana ny fanondranana fa tsy mbola nisy mihitsy olona voasambotra teo am-panangonana ireo sokatra tany anatin’ny faritra arovana.  Mahagaga ny zava-misy satria vola be tsy toko tsy forohana no hanakaramana ireo olona milaza fa mpiaro ny tontolo iainana eto Madagasikara. Manao fangataham-bola amin’ny alalan’ny fanolorana tetikasa fiarovana mantsy ireo vondrona na fikambanana tsy miankina ka ao anatin’izany no hamariparitana ny fomba rehetra hiarovana ny biby sy ny zavamaniry. Rehefa mahazo vola anefa izy ireny dia toa lany amin’ny asa, anaty birao sy ny fihetsiketsehana fotsiny ary kely dia kely no atokana ho an’ny tena fiarovana. Raha tena mpiaro ny tontolo iainana marina dia tokony hanakaramana mpiambina hanakana ireo mpangalatra sy mpanondrana ny harena ara-java-boahary ny vola famatsiana azo fa tsy hamelomana ireo vazaha tsy haninon-tsy haninona sy tsy nahita asa rehetra avy any an-dafy any. Ambim-bola kely fotsiny no mba mody hanaovana tetikasa lazaina fa hanohanana ireo olona monina manodidina ny faritra arovana mba tsy hikitihan’izy ireo ny ala sy hiarovan’izy ireo ny biby ao anatiny. Tsy mahagaga raha tsy mavitrika hanao izany ireo vahoaka ifotony satria misy ny fanararaotana sy ny fitsetsefana azy ireo. Ny any anaty birao no mitavana ny ampahany betsaka amin’ny famatsiam-bola nefa ny eny ifotony no tena mifofotra sy manao sorona ny tenany ara-bakiteny mihitsy amin’ny fiarovana ny tontolo zava-boahary.

Resa-be fotsiny ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara raha tsy ovaina ny politika hanatanterahana izany. Efa ampy ary betsaka ny fanadihadiana natao sy ny adihevitra ambony latabatra fa tokony miditra amin’ny asa fiarovana ifotony amin’izay ny Fanjakana sy ireo mpisehatra tsy miankina. Tsy ilaina intsony ny mpanao fikarohana satria efa an’arivony ny voka-pikarohana vita nefa tsy nisy fanatanterahana ny toromarika tao anatin’izany avokoa. Na ireo boky navoakan’ny mpianatra sy mpampianatra mpikaroka malagasy aza rehefa tena jerena dia saika mitovitovy avokoa ny ao anatiny. Hatramin’ny olona tsy nianatra momba ny tontolo iainana no mahalany tsianjery ny olana sy ny zavamisy mikasika ny fahasimban’ny natiora eto Madagasikara. Raha te hahazo vokatra hainga hiadiana amin’ny mpangalatra biby sy zava-maniry ary mpanimba ala dia tokony  manangana vondrona manokana hiaro ifotony ny ala ary hiady sy hifanandrina mivantana amin’ireo mpanao trafika. Izany hoe ny vola rehetra azo ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia hanakaramana mpitandro filaminana manokana natao hiaro ny ala sy ny zava manan’aina rehetra ao anatiny.

Raha be karama toy ny mpiasan’ny Bianco sy ireo mpiasam-panjakana hafa tsy mahita vokatra akory ny mpiaro ny ala dia inoana fa tsy ho voarebirebin’ny kolikoly ary tsy hanaiky lembenana manoloana ireo fahavalom-pirenena mitetika ny hitsentsitra fotsiny ny harena ara-java-boahary eto amintsika. Any ivelany, indrindra any Afrika sy Amerika, dia misy mpitandro filaminana manokana mihitsy nofanina sy miasa amin’ny fiarovana ny zava-boahary izay mampidi-bola betsaka amin’ny resaka fizahan-tany. Eto amintsika anefa tsy hita izany ary toa mionona fotsiny amin’ny resa-be sy ny fananganana tetikasa tsy mahavaha olana akory ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana. Ireto farany indray aza no lasa manameloka ny malagasy mpiray tanindrazana ho tsy rototra sy tsy manisy lanjany ny fiarovana ny tontolo iainana. Tia tena sy tery saina ireo matihanina amin’ny resaka tontolo iainana satria tsy mihevitra afa-tsy ny vola hiditra any am-paosiny ary manilika ny olana any amin’ny hafa nefa izy ireo no mitsentsitra sy mitavana ny vola tokony ho an’ny natiora. Fanontaniana mipetraka ny hoe iza amin’ireo milaza azy ho tena mpiaro ny tontolo iainana no miasa maimaim-poana ? Inoana fa tsy misy na iray aza !

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre