Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Ambodirano – Ivato – Rangahy iray hita faty teny an-tanimbary

Raim-pianakaviana iray, tokony ho 50 taona any ho any no hita faty natsingevan’ny rano teny an-tanimbary, eny Ambodirano, kaominina Ivato, omaly. Olona iray sendra nandalo tamin’iny toerana iny no nahatsikaritra ny vata-mangatsiakany nihohoka tao amin’izany tanimbary izany. Nampandre ireo tompon’andraikitra avy hatrany ilay nahita ka nidina teny amin’ny toerana nisy ny razana, ny sefo fokontany sy ny mpitandro filaminana ary ny mpitsabo. Tombanana efa telo andro teo ny nahafaty ity rangahy ity ary efa namoaka fofona ny razana tamin’ny fizahana natao azy. Ahiana ho nisy namono ihany koa izy io fa nahitana ratra teny amin’ny faritra ny lohany sy ny handriny. Mbola tsy misy olona ahiana kosa amin’ity raharaha famonoana olona ity. Misokatra ny fanadihadiana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre