Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Fahasahiranana – Tovolahy iray nangalatra vola 1 alina sy 4 hetsy

Nanjavona tao an-trano ny volan’ny raim-pianakaviana iray, tany Ambatomanoina, Anjozorobe, ny faran’ny volana janoary lasa teo. Tovolahy iray 26 taona eo ho eo no voarohirohy ho nangalatra  izany. Lelavola mitentina iray alina sy efatra hetsy ity lasa ity, araka ny filazan’ny voaroba.

Nanararaotra ny fotoana nandehanan’ilay rangahy nivavaka ilay mpangalatra no niditra an-tsokosoko tao an-trano tamin’ny alalan’ny famakiana ny varavarana. Nametraka fitoriana tao amin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana avy hatrany ny lasibatra. Fantatra tamin’ ny fanadihadiana fa tompon’antoka tamin’izany io tovolahy io. Nampanantsoina teny amin’ny biraon’ny zandary izy ary niaiky ny heloka vitany. Nambarany fa noho ny fahasahiranany no antony nangalarany izany satria tsy nomen’io rangahy io mihitsy izy raha nisambotra. Nilaza ihany koa izy nandritra ny fakana am-bavany azy fa vola kely ihany no saika halainy fa nihitatra indray izany vao nahita ireo lelavola be dia be tao anaty vata fasiana vola izy. Niakatra fampanoavana ny alatsinainy teo ny raharaha.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre