Asa an-tsambo – Mpisoloky mianadahy niakatra ny fampanoavana
Niakatra fampanoavana ny alatsinainy lasa teo ireo mpisoloky roa mianadahy, noho ny filazana fa afaka mampiditra mpiasa an-tsambo, any Mahajanga. Tsy iza anefa ireo olona nosolokiana fa ny iraitampo amin’izy ireo ihany. Ity farany izay nikasa hampiditra ny zanany hiasa an-tsambo, hanao fanjonoana an-dranomasina. Lasa tamin’izany ny lelavola 800 000 ariary.
Manana zanaka mpiasa an-tsambo ny iray amin’ireo mpisoloky, araka ny loharanom-baovao. Io no nentiny nakana ny vola tamin’ny lasibatra amin’ny filazana fa mahatafiditra olona hiasa ao. Natao nikarakara ireo antontan-taratasy rehetra, nilaina tamin’izany kosa indray ny faharoa. Nilaza izy ireo fa ny faran’ny volana desambra 2015 lasa iny no nifanarahana fa hiditra hiasa ity havany saingy tsy tanteraka izany.
Niezaka niaro tena moa ireo mpisoloky tamin’ny filazana fa nohon’ny maha mpiraitampo no namonjena azy ireo fa tsy nieritreritra ny hisoloky velively.
Tsy naharesy lahatra ny mpitsara ny fanazavana nataon’izy ireo satria ny porofo rehetra dia manameloka azy ireo avokoa. Lehibe indrindra amin’izany ny fe-potoana izay nomena ireo mpitory hoe ny faran’ny volana desambra no hiditra hiasa ny zanany. Io anefa ny fotoana nikantonan’ny fanjonoana an-dranomasina. Nampidirina am-ponja vonjimaika ireo mpisoloky miandry ny didim-pitsarana amin’ny tapaka ny volana aprily ho avy io.
Laurena Nany