Paska – Ivon’ny famonjena izao tontolo izao
Anisan’ireo andro voatendrin’Andriamanitra iankohofana sy ivavahana eo anatrehany ny Paska, araka ny voasoratra ao amin’ny Levitikosy 23. Fankalazana ihany koa ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty ary fandalovan’i Jehovah. Voalazan’ny baiboly fa fety lehibe teo amin’ny tantaran’ny zanak’Israely ny vaninandron’ny Paska, izay fetin’ny rantsakazo. Mankalaza ny andron’ny Paska ihany koa, ny fiangonana Mahavelona, eny Ambohimahitsy sy Ambatomaro, izay tarihin’ny pasitera Benja Rasatamanana satria io andro io no ivon’ny famonjena izao tontolo izao.
« Andro masina ny Paska. Mankalaza ny Paska ny fiangonana Mahavelona satria tamin’io fotoana io no nandatsahan’i Jesosy ny rany ho fanavotana izao tontolo izao. Na teraka aza mantsy i Kristy ka tsy maty teo amin’ny hazofijaliana dia tsy tanteraka ilay famonjena », hoy i pasitera Benja Rasatamanana. Mankalaza ny herinandro masina ihany koa ny fiangonana. Hisy araka izany ny fotoam-pivavahana manomboka anio alarobia sy ny alakamisy masina. Toy ny efa fanao isan-taona hatramin’ny nijoroan’ny fiangonana telo taona lasa izay, dia hiavaka kosa ny fankalazana ny alatsinainin’ny Paska izay hatao eny amin’ny lapan’ny tanàna eny Analakely. Hisy ihany koa ny rindran-kira hiarahana amin’ireo artista evanjelika, ankoatra ny fotoam-pivavahana.
L.N