Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Toamasina – Tovolahy iray maty namono tena rehefa nisarahan’ny sipany

Tovolahy iray 24 taona nisarahan’ny olon-tiany no maty namono tena nihinana poizim-boalavo, ny alatsinainy lasa teo, tany Morarano Analankininina, Toamasina. Gaga ny fianakaviana niray trano taminy, fa vata-mangatsiaka no novantanin’izy ireo. Araka ny loharanom-baovao voaray, nanana olana tamin’ny sakaizany izy. Fototry ny adin’izy ireo ny hasarotam-piaro satria tratran’ilay tovolahy niaraka tamin’ny lehilahy hafa ny sakaizany.

Ny hisaraka aminy no valin-tenin’ilay tovovavy rehefa nangataka fanazavana tamin’ity farany ny tenany. Niezaka nanambitamby izy fa tsy norarahin’ilay sakaizany mihitsy ary niafara tamin’ny fifamaliana teo amin’izy ireo izany. Tsy nahafehy tena intsony satria nahatsiaro ho voadona mafy izy ka nikasi-tanana ilay olon-tiany.  Nanenina izy ka naleony nanapitra ny ainy fa izay no hitany fa mety. Taitra ny havany raha nahita azy tsy nisy aina intsony, ary mbola hita teny aminy ny fonosan’ny poizim-boalavo namonoany tena.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre