Ambohimanga Rova – Mbola miroborobo ny fivavahan-drazana
Tanàna miorina an-tendrombohitra voahodidina ala Ambohimanga. Renivohitr’Imerina izy taloha sady Renivohitry ny foko hova «Tsimahafotsy» ihany koa. Mahandrihono ny tanàna, Tsimadilo kosa ny anaran-tany niorenany fahiny elabe. Izany Andriamborona izany no nanao azy hoe Ambohitrakanga. Andriamasinavalona (na Andriantsimitoviaminandriana zanany) kosa no nanova azy ho Ambohimanga. Isan’ny vakoka mbola be mpitsidika indrindra ny vohitr’Ambohimanga, araka ny resaka natao tamin’ny ben’ny tanànan’Ambohimanga Rova, Ravoninjatovo Fidimalala . Mbola miroborobo ny fivavahan-drazana saingy mitady tsy hilamina intsony ny tanàna amin’izao fotoana izao.
Misy ny Ambohimanga Rova
22 km miala an’Antananarivo renivohitra i Ambohimanga Rova. Any avaratra no misy azy, izany hoe ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.
Ireo kaominina manodidina azy raha avy any atsimo dia Anosy Avaratra fa kaominina ny Manandriana, Ambohitrabiby, Talatavolonondry kosa raha avy any atsinanana. Raha avy any avaratra indray dia kaominina distrakan’Ambohidratrimo, izay misy ny kaominina Ambohipihaonana. Mbola distrikan’Ambohidratrimo ihany fa any andrefana, izay misy ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy.
54 km tsy mivadimandry ny velarantany, izay ahitana mponina arivo sy roa alina. Manana boriborintany telo dia ny Ambohimanga Rova, Anosiarivo ary Manankasina. Ireo roa voalohany izay efa samy biraon’ ny kaominina avokoa ary misy solontenan’ny ben’ny tanàna fa i Manankasina mbola eo am-pandaminana ny trano ny kaominina fa ho atao amin’ity taona 2016 ity ihany ny fametrahana azy. Natao izany mba hanakaikaizan’ny fitondrana ny vahoaka.
Manana “délégué”-panjakana iray ny kaominina Ambohimanga Rova. Manana tsena iray, isaka ny alakamisy ny fihaonana eo.
Vohitra fady kisoa sy tongolo
Fady kisoa sy tongolo ny vohitr’Ambohimanga ary tokony ho hajaina izany satria vakoka. Marihina fa azo itondrana sy ihinana henan-kisoa ary sakafo misy tongolo manodidina ny vohitra fa saingy tsy azo entina ao anatiny. Tsy tokony hihinana henan-kisoa ny Malagasy, araka ny tantara. Maro ireo mponina eny an-toerana manaja izay fady izay.
Fidiram-bolan’ny mponina
Fambolena sy fiompiana no fidiram-bolan’ny mponina any an-toerana ankoatra ny vakoka iraisam-pirenena. Anisan’izany ny voly haingana toy ny legioma ary maro amin’ireo mponina no manondrana izany aty an-drenivohitra amin’ny fanenjehana tsena: Andravoahangy, Anosibe…
Fidiram-bolan’ny kaominina
Ny hetra kosa indray no tena fidiram-bolan’ny kaominina Ambohimanga Rova; azo avy amin’ny tany izay misy fanorenana eny amboniny na ihany koa tany tsotra. Nidina be izany tao anatin’ny taona nifanesy satria 15 isan-jato sisa no hetra miditra amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina.
Misy ihany koa ireo manao fandraharahana eny amin’ny “contribution”. Ny ivon-ketra eny Avaradrano no mandefa azy amin’ny alalan’ny “trésor”, ny ministeran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola. Ankoatra ireo dia misy ny “service” maromaro izay andoavam-bola, anisan’izany ny fangatahan-dalana manorina trano, ny taratasy mikasika ny fahaterahana ary ny fahafatesana.
Ireo karazana fivavahana misy any an-toerana
Miroborobo ny fivavahana any Ambohimanga Rova toy izay hita eran’i Madagasikara indrindra manodidina ny renivohitra. Ankoatra ny Ffkm, mahazo vahana ny fiangonana zandriny toy ny Jesosy Mamonjy, Fpvm… afa-tsy ny finoana silamo izay mbola tsy misy any.
Miroborobo ihany koa ny fivavahan-drazana
Malagasy mivavaka amin’ Andriamanitra fa tsy manadino ny razana ihany koa. Efa nampalaza an’Ambohimanga Rova hatramin’izay io fivavahana amin’ny razana io. Misy ladoany miisa 4 any an-toerana hivavahan’ny olona ary tsy ireo mponina ao ihany fa indrindra ny avy aty ivelany izay betsaka tokoa tonga any rehefa amin’ny fotoan’ny Alakaosy, Alahamady be ary ny Tsinambolana. Ao ireo manao sorona, mangataka, midio, misitrana satria toerana fanasitranana.
Mifanaja ireo antokom-pivavahana
Malalaka ny fivavahana rehefa tsy manohitohina ny hafa ary ny lalam-panorenana mihitsy no mamela an’izay satria fanjakana laika i Madagasikara. Samy mandeha amin’izay fantany fa hahavonjy ny fanahiny ny olona ka tsy mifapisotasota sy tsy mifandrangitra. Hatreto aloha tsy mbola nisy ny korontana tamin’ireo karazan-pivavahana ireo satria samy vahoakan’Andriamanitra daholo na ireo mandeha amin’ny toerana fivavahan-drazana na ireo miangona amin’ny fiangonana zandriny.
Mitady hahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana
Saika efa manerana an’i Madagasikara ny tsy fandriam-pahalemana ankehitriny. Manomboka tsy milamina ny any Ambohimanga saingy tsy mbola ahitana vono olona kosa. Ny halabotry no tena mampitaraina ireo mponina tratran’ny fahantrana, toy ny vaky lakozia, halatr’omby sy kisoa. Efa misy ireo tratra ary ireo olona any an-toerana no betsaka amin’izany satria mahalala tsara sy mahita ny zava-misy.
“Manana borigady ihany ny kaominina fa tsy afaka hiandry isaka ny varavarana fa tsy maintsy mifampijery ny tsirairay amin’ny alalan’ny andrimasom-pokonolona. Tokony ho mailo, noho izany ny tsirairay hoe iza no miditra aiza dia iza no manao inona satria tsy vitan’ny mpitandro filaminana irery”, hoy i Ravoninjatovo Fidimalala, Ben’ny tanànan’Ambohimanga.
Laurena Nany