Mpiaro ny zon’ny mpamono olona
Nampiaka-peo indray, tato ho ato, ireo olona sy fikambanana milaza fa mpiaro ny zon’olombelona manoloana ny fanafihana tobin’ny zandary izay nataon’ny fokonolona tany amin’ny toerana samihafa teto amin’ny firenena mba hitakiana fitsaram-bahoaka. Heloka eo anatrehan’ny lalàna tokoa izany fahasahiana manery ny mpitandro filaminana hamoaka olona voatazona izany ary avy eo ny fanaovana tambabe hamono ho faty ireo olona voarohirohy sy tsy nandalo fitsarana. Samy manana ny heviny ny tsirairay mikasika ny tranga toy itony saingy na inona na inona fanazavana dia tsy ara-dalàna ary heloka ny mamono olona. Mipetraka anefa ny mizana tsindrian’ila sy fomba fijery mitanila ataon’ireo milaza azy ho mpiaro ny zon’olombelona satria toa ireo olon-dratsy niharan’ny hatezeram-bahoaka, na notifirin’ny mpitandro filaminana, na ihany koa nohelohin’ny fitsarana indray no arovan’izy ireo. Nisesisesy ny vono olona miharo fandrobana, ny vono olona miharo fanolanana, ny fanapahan-doha sy fitetitetehana olona nefa toa tsy hita sy re feo mihitsy ireo milaza azy ho mpiaro ny zon’olombelona. Mangina sy mody tsy mahalala ny zava-misy izy ireo ary tsy mba sahy mijoro akory mitaky sy manery ny Fanjakana hanao izay ho afany hampanjakana ny fandriam-pahalemana.
Vao ny olon-dratsy sy olon-tsy vanona mpamono olona anefa no voakitika dia misarongatra toy ny hanao inona ireo mpiaro ny zon’olombelona. Tsy vao izao izy ireo no manao fihetsika mamohehitra toy izao fa efa hatramin’izay. Anisan’izany ny fitabatabana matetika ny mikasika ny zon’ny voafonja ka ilazana fa tery ny fonja eto amintsika ary tsizarizary ny sakafo sy ny fidiovana ary ny fotodrafitrasa rehetra. Tsy mbola nisy nijoro sy niteny anefa ireo milaza ho mpiaro ny zon’olombelona manoloana ny tsy fahampian-tsakafo sy ny aretina mahazo ny vahoaka mafiady amin’izao fotoana izao.
Efa noresahina teto ihany ary averina indray fa mpikarama an’ady ary olona tsy an’asa mitady famatsiam-bola amin’ny alalan’ny fitabatabana fotsiny ny ankamaroan’ireo olona milaza fa mpiaro ny zon’olombelona. Vitsy dia vitsy no tena mba resy lahatra amin’izany fiarovana ny zon’olombelona izany fa ny maro amin’izy ireo dia mitady fivoriana sy fiofanana hihinanana sakafo maimaim-poana sy hahazoana vola tambim-pivoriana kely entina mody ny hariva fotsiny. Resa-be ihany izany zon’olombelona izany raha mbola firenena mahantra sy tsy marin-toerana toa an’i Madagasikara no resahina. Tsy mahafaly ireo tompon’andraikitra ambony ny firesahana fa mbola ny be vola sy ny mahitahita aloha no manjaka eto amintsika amin’izao fotoana izao. Voavidy vola ny zon’olombelona ka izay tsy manan-karena dia sahirana mitaky izany. Hatrany am-ponja aza dia tsy mitovy ny fikarakarana satria ireo gadra tsy misy mpanohana dia mihinana mangahazo maina fa ireo mpanefoefo kosa hanateran’ny havany hanim-pito loha. Zava-misy izany rehetra izany ka tsy maintsy resahina, nefa kosa raha tena hiady amin’ny fampanjakana ny zon’olombelona tokoa dia isan’andro ny fanaovana azy fa tsy miandry hirika sy fotoan isehosehoana fotsiny.
Raha tena miasa tokoa ireo milaza ho mpiaro ny zon’olombelona dia ny hahazoan’ny vahoaka sakafo sy fanafody ary fandriam-pahalemana maharitra no tokony himasoan’izy ireo. Tsy mbola nisy mihitsy teto hetsika nataon’ny mpiaro ny zon’olombelona entina hanoherana ny asa fanendahana sy ny vaky trano ary fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny. Izany anefa no herisetra mianjady amin’ny vahoaka ka tsy hahafahana misitraka ny zo hiaina amim-pahalalahana. Tsy mbola sahy mijoro hitaky ny fahalalahana maneho hevitra sy mitaky ny fahalalahana ihany koa ireo milaza azy ho mpiaro ny zon’olombelona fa dia mody fanina any ambadika any. Rehefa injay anefa misy olon-dratsy sendra ny patsa iray tsy omby vava sy nahavoa voamason’angatra dia mipoitra ry zon’olombelona.
Ravalo tsy Manana